Korea Atsimo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
대한민국 / 大韓民國 ((ko))
Daehan Min-guk ko
Repoblikan'i Korea ((mg))
Sainan'i Korea Atsimo Evan'i Korea Atsimo
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : 널리 인간세상을 이롭게 하라 (홍익인간)
Korea mihetsika
Locator map of South Korea.svg
Teny ofisialy Fiteny koreanina
Renivohitra Seoul
37°35′N, 127°0′E
Tanàna ngeza indrindra Seoul
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Praiministra
Repoblika
Moon Jae-in
Hwang Kyo-ahn
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 107
99 274 km²
0,3%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 25
49 232 844 mpo.
480 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Koreanina
IDH (2006) Mihakatra 0,928 (élevé) faha 25}
Sandam-bola Won(원, KRW, ₩) (KRW)
Faritr'ora UTC +9
Hiram-pirenena Aegukga
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+82

Korea Atsimo dia firenena ao amin'ny faritra atsimon'ny tanjona koreanina, amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Azia. Ny renivohiny dia Seoul. Ny anarana ofisialin'ny Repoblikan'i Korea Atsimo dia Repoblikan'i Korea amin'ny teny malagasy ary 대한민국 (Daehan Minguk) amin'ny fiteny koreanina. Miaina ao amin'ny renivohi-pirenena ny Seoul ny 50%n'ny koreanina tatsimo. Anisan'ny tanàna be mponina indrindra eto an-tany ny tanànan'i Seoul, ary ny lahatsoratra sasany dia milaza fa izy io no tanàna lehibe indrindra eto an-tany manaraka an'i Tokyo ao Japana[1].

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny tantaran'ny Korea Atsimo dia nanomboka tamin'i Gojoseon Dangun Wanggeom. Resin'ny Sina entin'ny fiankohonana Han ny Gojoseon. Rehefa nitontongana tokoa i Gojoseon dia maro ireo firenena nipoitra toa i Buyeo sy Okjeo sy Dongyae ary Samhan. Baekje sy Goguryeo ary Silla no nahery indrindra tamin'izy ireo. Ny fe-potoana nisian'ireo fanjakana ireo dia antsoina hoe Fotoan'ny Fanjakana Telo. Resin'i Silla niaraka tamin'ny mpanohana Sinoa nentin'ny fiankohonana Tang ny Fanjakana Goguryeo ary Baekje, ary navondron'i Silla ho tokana ireo fanjakana telo ireo.

Nisy fanjakana iray hafa Balhae izay noforonin'i Dae Jo-Young. Ny fe-potoana iombonana nisy an'i Balhae sy Silla dia antsoina hoe Fotoan'ny Fanjakana Tavaratra sy Tatsimo. Nahatonga ny fiforonan'ny firenena vaovao nantsoina hoe Goryeo ny fikomiana tao amin'ny Fanjakan'i Silla. Resin'i Mongolia ny Fanjakan'i Goryeo. Tany amin'ny faram-paran'ny fotoana nanjakan'i Goryeo dia nisy ny mpitondra tafika lehibe Lee Seong-Gye. Nibaiko azy hitoetra ao Yodong ny mpanjakan'i Goryeo fa nanohitra izany izy. Na dia izany aza dia Nankany Yodong izy azy nitoetra tao, fa niverina tany Goryeo izy ary nikomy. Nahomby ny fikomiany ary nanorona ny firenena Joseon izy. Ny mpanjaka voalohan'i Joseon, Taejo dia nanova ny renivohitra ho any Hanyang (Seoul ankehitriny).

Ny mpanjaka Joseon fahaefatra, Sejong, dia namorona ny abidy koreanina Hangeul. Ny mpanjaka faharoa ambin'ny roapolo Jeongjo dia nanangana ny rovan'i Hwaseong tao Suweon. Ny mpanjaka fahaenina ambin'ny roapolo Gojong dia nanova ny anaran'ny firenena ho Empiran'i Korea. Rehefa nihanalefaka ny fahefan'ny empira dia nanafika ilay firenena i Japana ary nitoetra tao nandritra ny 35 taona ka tsy niala tao raha tsy tamin'ny faran'ny Ady Lehibe Faharoa tamin'ny 1945. Nipoaka tamin'ny 1950 ny Ady Koreanina ka vokatr'izany dia voazara roa ny firenena: Korea Avaratra ary Korea Atsimo.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny Korea Atsimo dia ao Atsinanan'i Azia. Ireo firenena manodidina azy dia Japana any Atsinanana; Korea Avaratra izay mizara sisintany aminy ary Sina izay any andrefany. Ao atsimon'ny tanjona Koreanina no misy azy. Tany be tendrombohitra i Korea Atsimo ary, ary maro ireo nosy madinika tsy lavitry ny morontsirany. Ny renivohi-pirenena Seoul dia akaikin'ny sisin-tany koreanina tavaratra. Ny nosy lehibe indrindra dia ny nosin'i Jeju ary ny tendrombohitra avo indrindra dia Hallasan ao Jeju.

Politika[hanova | hanova ny fango]

Korea Atsimo dia demokrasia, midika izany fa afaka mifidy ny governemantany ny olona. Ny Filohan'i Korea Atsimo dia voafidy mandritra ny dimy taona, ary tsy afaka mijoro fanindroany amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Ny filoha ankehitriny dia Moon Jae-In hatramin'ny 10 Mey 2017. Ny filoha teo aloha, Park Geun-Hye, dia natao ho an'ny kolikoly.

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Ny Korea Atsimo dia ianjadian'ny kolontsain'ny kontinanta sy ny kolontsaina an-dranomasina noho izy ao anaty saikanosy. Ny kolontsaina koreanina tatsimo nentindrazana dia namolavola ny kolontsainan'i Siberia, izay ao amin'ny ampahany avaratr'i Azia Afovoany sy ny faritra atsimon'i Azia Atsimo Atsinanana ary ny firenena mpifanolo-bodirindrina toa an'i Sina.

Fiteny koreanina[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny koreanina no teny ofisialy ary fampiasa mahazatra ao Korea Atsimo. Maro reo mpahaitsikerafiteny milaza fa ao amin’ny vondron’ny teny altaika ilay fiteny. Ny hangul izay ampiasaina amin’ny fanoratana ny teny koreanina dia navoakan’i Sejong tamin’ny 1446. Io irery ny abidy fanta-datim-piforonana ary fanta-pamorona.

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. http://www.uic.edu/cuppa/cityfutures/papers/webpapers/cityfuturespapers/session3_4/3_4whicharethe.pdf