Benîno

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Benina)
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainam-pirenen'i Benîno

I Benîno na Beninto ny Repoblikan' i Benîno dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana velaran-tany mirefy 114 764 km2 sady manana halava mirefy 700 km, avy any amin' ny ony Niger ao avaratra mankany amin' ny morontsiraka atlantika any atsimo. I Porto Novo no renivohiny ôfisialy. Amin' ny teny iôroba dia atao hoe Orílɛ̀-èdè Olómìnira ilɛ̀ Benin izy, fa amin' ny teny gongbe kosa dia Beninto. Azo soratana hoe Benîna koa ny anaran' io firenena io amin' ny teny malagasy. Misy mponina miisa 10 741 458 ny ao Benîno tamin' ny taona 2016. Ny renivohi-pitondran' i Benîno dia i Porto-Novo (izay ataon' ny foko gona hoe Xogbonou fa ataon' ny foko iôroba hoe Adjatchè). Renivohitra ara-toekarena i Cotonou.

Coat of arms of Benin.svg

Nahazo ny fahaleovantenany feno i Benîno tamin' ny 01 Aogositra 1960, izay nantsoina hoe Repoblikan' i Dahomey. Tamin' ny taona 1972 i Mathieu Kérékou no nandray ny fahefana hitondra ny firenena ka nanova ny anarany hoe Repoblilka entim-bahoak' i Benîno. Tamin' ny taona 1990 dia nisedra fahasahiranana ara-toekarena i Benîno ka nanova lalàm-panorenana sy niova anarana hoe Repoblikan' i Benîno.

Mikambana ao amin' ny Communauté économique des États de l' Afrique de l' Ouest (CÉDÉAO) i Benîno sady mpifanila vodirindrina aminy i Tôgô ao andrefana, i Nijeria ao atsinana, i Nijera ao avaratra antsinanana ary i Borkina Fasô ao avaratra andrefana. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin' i Benîno ary ny farantsa CFA no vola ampiasainy. Mpikambana ao amin' ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) koa i Benîno.

I Benîno
Benin-CIA WFB Map.png

Hatramin' ny naharava ny Repoblika entim-bahoaka dia isan' ny firenena afrikana atsimon' i Sahara anjakan' ny demôkrasia i Benîno sady isan' ny firenan' i Afrika manana andrim-panjakana marin-toerana indrindra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan'i Kôngô - Repoblikan'i Afrika Afovoany - Repoblikan'i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany