Benîno

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainam-pirenen'i Benîno

I Benîno na Beninto ny Repoblikan' i Benîno dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana velaran-tany mirefy 114 764 km2 sady manana halava mirefy 700 km, avy any amin' ny ony Niger ao avaratra mankany amin' ny morontsiraka atlantika any atsimo. I Porto Novo no renivohiny ôfisialy. Amin' ny teny iôroba dia atao hoe Orílɛ̀-èdè Olómìnira ilɛ̀ Benin izy, fa amin' ny teny gongbe kosa dia Beninto. Misy mponina miisa 10 741 458 ny ao Benîno tamin' ny taona 2016. Ny renivohi-pitondran' i Benîno dia i Porto-Novo (izay ataon' ny foko gona hoe Xogbonou fa ataon' ny foko iôroba hoe Adjatchè). Renivohitra ara-toekarena i Cotonou.

Coat of arms of Benin.svg

Nahazo ny fahaleovantenany feno i Benîno tamin' ny 01 Aogositra 1960, izay nantsoina hoe Repoblikan' i Dahomey. Tamin' ny taona 1972 i Mathieu Kérékou no nandray ny fahefana hitondra ny firenena ka nanova ny anarany hoe Repoblilka entim-bahoak' i Benîno. Tamin' ny taona 1990 dia nisedra fahasahiranana ara-toekarena i Benîno ka nanova lalàm-panorenana sy niova anarana hoe Repoblikan' i Benîno.

Mikambana ao amin' ny Communauté économique des États de l' Afrique de l' Ouest (CÉDÉAO) i Benîno sady mpifanila vodirindrina aminy i Tôgô ao andrefana, i Nijeria ao atsinana, i Nijera ao avaratra antsinanana ary i Borkina Fasô ao avaratra andrefana. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin' i Benîno ary ny farantsa CFA no vola ampiasainy. Mpikambana ao amin' ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) koa i Benîno.

I Benîno
Benin-CIA WFB Map.png

Hatramin' ny naharava ny Repoblika entim-bahoaka dia isan' ny firenena afrikana atsimon' i Sahara anjakan' ny demôkrasia i Benîno sady isan' ny firenan' i Afrika manana andrim-panjakana marin-toerana indrindra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan'i Kôngô - Repoblikan'i Afrika Afovoany - Repoblikan'i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe