Franc CFA

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritra francs ao Afrika: ny Franc CFA an' ny UEMOA (maitso) sy ny Franc CFA an' ny CEMAC (mena)

Ny Franc CFA dia vola afrikana roa mahazatra (ny "franc de la Communauté financière africaine" sy ny "franc de la Coopération financière en Afrique"), nolovaina tamin' ny fanjanahantany frantsay ary ampiasain' ny firenena afrikana efatra ambin' ny folo izay ampahany amin' ny Faritra franc:

  • ny "franc de la communauté financière en Afrique" (ISO 4217: XOF sy 952), navoaka sy tantanin' ny Banky Foiben' ny Firenena Afrikana Andrefana (Banque centrale des États de l'Afrique de l'Ouest) ho an' ny firenena valo mpikambana ao amin' ny Union économique et monétaire ouest-africaine (UEMOA);
  • ny "franc de la coopération financière en Afrique centrale" (ISO 4217: XAF sy 950), navoakan' ny Banque des États de l'Afrique centrale ho an' ireo firenena enina mpikambana ao amin' ny Communauté économique et monétaire de l'Afrique centrale (CEMAC).
Vola madinika Franc CFA ao Afrika Andrefana

Ny firenena mampiasa ny Franc CFA dia nipoitra avy amin' ny fivoarana sy ny fiovan' ny Empira Mpanjanaka Frantsay teo aloha, ary koa ireo firenena tsy zanatany frantsay, toa an' i Kamerona sy i Tôgô (zanatany alemàna tamin' ny voalohany, avy teo ambany fiahian' i Frantsay), i Ginea Ekoatôrialy (zanatany espaniôla) ary i Ginea-Bisao (zanatany pôrtogey).

Ny sandan' ny Franc CFA dia faritan' ny firenena mpikambana amin' ny fomba malalaka sy miorina amin' ny taha raikitra amin' ny Euro, taha raikitra izay iantohan' ny Tahirimbolam-panjakana frantsay. Ampandrenesina mialoha ity farany raha toa ka manapa-kevitra ny hanondrotra na hampihena ny sandan' ny vola ireo firenena mpikambana ireo.

Voambolana[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe CFA dia fanafohezana ny hoe "Colonies françaises d'Afrique" ("Zantany frantsain' i Afrika") nanomboka tamin' ny taona 1945 ka hatramin' ny 1958. Niova io anarana io nanomboka tamin' ny taona 1958 ka hatramin' ny 1960 ka lasa "Communauté française d'Afrique" (“Fianakaviambe frantsain' i Afrika").

Ity fanafohezan-teny ity izay ampiasaina koa ao amin' ny UEMOA dia tsy mitovy amin' ny an' ny CEMAC fa ny hoe "Coopération financière en Afrique" ("Fiaraha-miasa ara-bola aty Afrika") ​​no fanalavana ny hoe CFA.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fiovana teo amin' ny firenena mampiasa ny Franc CFA[hanova | hanova ny fango]

Rehefa nandeha ny fotoana dia niova ny isan' ny firenena mampiasa ny Franc CFA rehefa nanomboka nampiditra ny volany manokana ny firenena sasany. Firenena roa any Afrika Andrefana ihany koa no nisafidy ny handray ny Franc CFA hatramin' ny nampidirana azy, na dia tsy zanatany frantsay aza izy ireo.

  • 1960: niala i Ginea ary nanomboka namoaka Franc Gineana;
  • 1962: niala i Maly ary nanomboka namoaka vola maliana;
  • 1973: niala i Madagasikara (tamin' ny 1972, araka ny loharanom-baovao iray hafa) ary nanomboka namoaka ny volany manokana, dia ny Franc Malagasy, izay niaraka tamin' ny Ariary Malagasy (1 Ariary = 5 Franc Malagasy);
  • 1973: niala i Maoritania, nanolo ny Franc CFA amin' ny Ouguiya Maoritaniana (1 Ouguiya = 5 franc CFA);
  • 1984: niverina amin' ny Franc CFA indray i Maly (1 Franc CFA franc = 2 Franc Maliana);
  • 1985: nikambana ao i Ginea Ekoatôrialy (1 Franc = 4 Bipkwele);
  • 1997: tafiditra tao Ginea-Bisao (1 Franc = 65 Peso)