Marôka
I Marôka, na Fanjakan'i Marôka (amin'ny fiteny arabo : المملكة المغربية) dia firenena any avaratra andrefan'i Afrika, ao amin'ny vondron'i Magreba. Ny renivohiny dia i Rabat. Voafaritry ny ranomasimbe Atlantika i Maroka any andrefana, ny ranomasina Mediteranea any avaratra atsinanana ary voafaritry ny detroit-n'i Gibraltar any avaratra. I Maroka dia mizara sisintany amin'i Aljeria, amin'i Sahara Andrefana any atsimo, amin'ny Maoritania any atsimo atsinanana raha tsy rarahina i Sahara Andrefana.
I Maroka dia fanjakana ara-dalampanorenana, ny mpanjakan'i Maroka ankehitriny dia i Mohammed VI, anisan'ny fanjakana antitra indrindra eto an-tany ny fanjakan'i Maroka. Mpikambanan'ny vondron'i Magreba arabo, ny Francophonie ary Organisation de la Conference Islamika i Maroka. Tsy mpikambanan'ny Vondrona Afrikana i Maroka, fa te-hanamafy ny fifandraisany amin'ny Vondrona Eoropeana. Tamin'ny 1987, nanandrana niditra tao amin'ny CEE i Maroka, fa tsy tafiditra ; nahazo « statut avancé » ny Maroka tamin'ny Vondrona Eoropeanina. Tamin'ny 15 Mey 2009, niditra tamin'ny Centre Nord-Sud du Conseil de l'Europe i Maroka.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Tsiahy[hanova | hanova ny fango]
|