Srilanka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Sri Lanka)

Sri Lankā Prajathanthrika Samajavadi Janarajaya
((si))
இலங்கை சனநாயக சோஷலிசக் குடியரசு ta
Illankai Chananaayaka Chosalisa Kudiyarasu ta
Democratic Socialist Republic of Sri Lanka en
Repoblika Demôkratika Sôsialistan' i Srilanka ((mg))
Saian' i Srilanka Mari-piandrianan' i Srilanka
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Aucune
Teny ofisialy Singaley, Tamily
Renivohitra Sri Jayawardenapura
6°54′N, 79°54′E
Tanàna ngeza indrindra Kolombo
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Praiminisitra
Repoblika
Gotabaya Rajapaksa
Mahinda Rajapaksa
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 120
65 610 km²
Azo tsy rarahina
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 51
21 128 773 mpo.
288 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Srilankey
Sandam-bola Ropia srilankey (LKR)
Faritr'ora UTC +5h30
Hiram-pirenena Sri Lanka Matha
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+94
Sarintanin' i Srilanka

I Srilanka na Sri Lanka dia firenena ao Azia Atsimo, ao amin’ ny Ranomasimbe Indiana. Ny anarany ôfisialy hatry ny 22 Mey 1972 dia Repoblika Demôkratika Sôsialistan' i Srilanka. 31 km any atsimo-atsinanan' i India no misy azy, 20 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mponiny, izay manana fiaviana, finoana, fiteny ary fomba samihafa.

Amin' ny fiteny singaley dia atao hoe ශ්‍රී ලංකාව i Srilanka, fa amin' ny fiteny tamily kosa dia இலங்கை.

I Srilanka dia manana fiteny ôfisialy roa, dia ny fiteny singaley sy ny fiteny tamily. Ny voalohany no tena ampiasaina any Srilanka, satria 73,8 %n' ny mponina no mampiasa ny fiteny singaley, fa 13,9 % monja no mampiasa ny fiteny tamily. Ny pôlitikan' i Srilanka anefa dia sarotsarotiny amin' ny fampiasana sy ny fampianarana ny fiteny tamily. Amin' ny farany, ny mpiteny tamily dia tsy maintsy mahay miteny singaley alohan' ny mandefa fangatahana any amin' ny fandrindrana. Io fanavakavaha ara-piteny io dia tsy misy lalandava, fa maharitra eo amin' ny ara-pivavahana amin' ny alalan' ny fiteny tamily (anatin' ny fivavahany, ilaina ny fiteny tamily, tahaka ny fiteny latina ho an' ny Katôlika).

Firenena be tendrombohitra i Srilanka. Ny tangoron-tendrombohitra ao amin’ ny tapany afovoany-atsimo dia ahitana tendrombohitra manana haambo mahatratra 2 524 m; avy ao ny ankamaroan’ ny loharano ao amin’ ilay nosy. Toetanim-pehibe mafana sy mando ny toetany any ka be dia be ny karazan-javamaniry sy ny karazam-biby hita any.

Ahitana vondrom-poko maro ny mponina srilankey ka isan’ izany ny Singaley (70 %) sy ny Tamoly (20 %). Ny bodisma no fivavahana be mpanaraka indrindra any (70 %), manaraka ao aoriany ny hindoisma sy ny kristianisma ary ny silamo.

Miompana indrindra amin’ ny fanondranana dite sy voanio ary fingotra ny toekaren’ i Srilanka.

Ny anaran' i Srilanka dia Taprobane sy Serendib ny anarany tamin' ny Andro Taloha. Zanatany britanika taloha i Srilanka, izay nantsoina hoe Ceylan tamin’ izany fotoana izany, nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1948. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth izy ankehitriny.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Maro isan-karazany ny fiteny ao Srilanka, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana (sampana indô-ariana) sy dravidiana ary aostrôneziana, miampy ny fitenin' ny mpanjana-tany. Fiteny ôfisialin' i Srilanka ny fiteny singaley (indô-ariana) sy ny fiteny tamily (dravidiana). Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012, dia ny 87,0 % amin' ny Srilankey no mahay miteny singaley, ny 28,5 % miteny tamily ary ny 23,8 % miteny anglisy.

Fiteny teratany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2016, ny fiteny singaley, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana (sampana indô-ariana), no fitenin' ny ankamaroan' ny Singaley, izay mahatratra 74,9 %n' ny mponina ary manodidina ny 16,6 tapitrisa eo ho eo.

Ny fiteny tamily srilankey dia ampiasain' ny Tamily ​​srilankey teratany ao amin' io nosy io, fa ny fiteny tamily indiana dia fitenin' ny Tamily mpifindra monina sady fitenin' ny ankamaroan' ny Maoro srilankey izay avy any Tamil Nadu izay fanjakana any India mifanila aminy. Araka ny fanisana tamin' ny taona 2012 dia ny 28,5 %n' ny Srilankey ny mpiteny tamily.

Manodidina ny 300 amin' ny Vedà, izay zara raha 2 500 ny fitambarany tamin' ny 2002, no miteny ny fiteny vedà, izay iadian-kevitra ny niaviany. Tsy fanta-piaviana ny fiteny nipoiran' ny fiteny veda.

Fiteny eorôpeana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny anglisy ao Srilanka dia voafehin' ny 23,8 % eo ho eo amin' ny mponina araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012, ary ampiasaina betsaka amin' ny raharaha ôfisialy sy amin' ny varotra.

Ny fiteny frantsay, aorian' ny fiteny anglisy, dia mijanona ho fiteny vahiny faharoa ampianarina ary nitombo 30 % ny isan' ny mpianatra amin' ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa teo anelanelan' ny taona 2010 sy 2014.

Vitsivitsy amin' ireo olona 3 400 avy amin' ny fiaviana pôrtogey no miteny kreôla pôrtogey srilankey. Nanjavona hatramin' ny taona 1920 ny kreôla an' ireo Pôrtogey mpanjanatany teo aloha (zanatany pôrtogey mantsy i Srilanka tamin' ny taona 1505 ka hatramin' ny 1658).

Fiteny avy any amin' ny faritra hafa any Azia sy ny manodidina[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny kreôla maley dia ampiasain' ny vahoaka maley ao Srilanka, saingy mihena ny fampiasana azy. Maherin' ny 40 000 ny mpiteny malay srilankey.

Ny fiteny sinoa mandarina no fiteny nitombo mpiteny hatrany hatramin' ny taona 2000: mpiara-miombona antoka ara-toekarena manan-danja ao amin' io firenena io i Sina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.