Fiteny vedà

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny veda dia fiteny atahorana ho lany tamingana izay ampiasain' ny Veda ao Srilanka. Fanampin' izany, ny vondrom-piarahamonina toa ny Veda Amorontsiraka sy Anoradapora Veda izay tsy mitonon-tena ho Veda dia mampiasa ampahany amin' ny fiteny veda amin' ny fifandraisana mandritra ny fihazana na amin' ny hiram-pivavahana, manerana ilay nosy.

Rehefa natao ny fandinihana eny an-toerana tamin' ny taona 1959 dia hita fa an' ny taranaka veda any Dambana manokana ihany ilay fiteny. Tamin' ny taompolo 1990 dia teny sy andian-teny vitsivitsy amin' ny fiteny veda no fantatry ny Veda izay miaiky ny tenany fa Veda, saingy nisy olona nahafantatra tsara ilay fiteny. Tany am-boalohany dia nisy adihevitra be teo amin' ny mpahay teny raha fitenim-paritry ny fiteny singaley ny fiteny veda na fiteny mahaleo tena. Nilaza ny fandinihana taty aoriana fa ny fiteny ampiasain' ny Veda ankehitriny dia kreôla nivoatra hatrany amin' ny andro fahiny, rehefa nifandray tamin' ny fiteny singaley tany am-boalohany ny Veda, fiteny izay nindramany hatrany teny sy zavatra hafa, ka nahatonga ny fisian' ny fitovian' ny fiteny veda amin' ny fiteny singaley amin' ny pitsopitsony maro, fa ny fototry ny fitsipiteniny tsy niova. Tsy fanta-piaviana ny fiteny nipoiran' ny fiteny veda, fa ny fiteny singaley kosa dia anisan' ny sampana indô-ariana ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana.

Amin' ny lafiny rafi-peo dia miavaka amin' ny fiteny singaley ny fiteny veda noho ny fahateteham-pitrangan' ny feo an-danilany [c] sy [ɟ]. Mitombo ihany koa izany fiavahana izany noho ny fampiasany tovana ilazana ny tsy manana aina. Amin' ny lafiny fandrafetan-teny, ny sokajin-teny veda dia ny anarana sy ny matoanteny ary ny teny tsy mety miova endrika, miaraka amin' ny fanavahana lahy sy vavy tsy manam-paharoa eo amin' ny anaran' ny manana aina. Nampihena sy nanatsotra endrika maro amin' ny teny singaley izy, toy ny mpisolo tena faharoa sy ny fanondroana hevitra mandà. Raha tokony hindrana teny vaovao avy amin' ny fiteny singaley na fiteny hafa ny fiteny veda dia mamorona kamban-teny avy amin' ny tahirim-boambolana voafetra. Mitazona voambolana singaley antitra maro hatramin' ny taonjato faha-10 ka hatramin' ny taonjato faha-12 ny fiteny veda, voambolana sisa tavela tamin' ny fifandraisany akaiky amin' ny fiteny singaley, nefa mitazona voan-teny miavaka maromaro izay tsy avy amin' ny fiteny singaley.

Nisy fiantraikany tamin' ny fiforonan' ny fiteny singaley ny fiteny veda. Miharihary izany amin' ny fisian' ny singa ara-boambolana sy ara-drafitra amin' ny fiteny singaley izay tsy azo fotorina any amin' ny fiteny indô-ariana na any amin' ny fiteny dravidana mifanila aminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]