Hankany amin'ny vontoatiny

Sômalia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Somalia)
Soomaaliya (Somali)
الصومال ar
Repoblikan'i Somalia ((mg))
Sainan'i Somalia Mari-piandrian'i Somalia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : aucune
Teny ofisialy fiteny somali
Renivohitra Mogadiscio
2°02′N, 45°21′E
Tanàna ngeza indrindra Mogadiscio
Fitondrana sy governemanta
 - Filohan'i Somalia
Repoblika
Mohamed Abdullahi Mohamed
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 43
637 657 km²
Azo tsy raharahina
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 88
9 558 666 mpo.
8,51 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Somaliana
Sandam-bola Shilling somali (SOS)
Faritr'ora UTC +3 (été +4)
Hiram-pirenena Tsy misy tonon-kira,
mozikan'i Giuseppe Blanc
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+252

I Sômalia na Repoblika Federalin' i Sômalia dia firenena ao Afrika Atsinanana, ao amin' ny tandrok' i Afrika,manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Manana velarana mirefy 637 700 km² itynfirenena ity ary izara sisin-tany amin' i Jiboty any avaratra-andrefana izy, amin' i Kenia any atsimo-andrefana ary amin' i Etiôpia any andrefana. Ny Ranomasimbe Indiana no ranomasina mamaritra azy avy ao atsinanana. I Mogadiscio no renivohiny ary miisa 9 558 666 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2008. Atao hoe Sômaliana ny vahoakan' ity firenena ity.

Atao hoe الصومال‎ / aṣ-Ṣūmāl na جمهورية الصومال الفدرالية / Jumhūriyyat aṣ-Ṣūmāl al-Fideraaliya ny anarany amin' ny teny arabo, fa Soomaaliya na Jamhuuriyadda Federaalka Soomaaliya kosa izany amin' ny teny sômaly.

Sarin-tany maneho ny fari-pitondrana ao Sômalia

Be tendrombohitra ny tapany avaratra. Ny faritra sisa rehetra dia lembalemba izay midina mianatsimo hatrany amin' ny tany lemaka any amin' ny morontsiraky ny Ranomasimbe Indiana. Somary maina ny toetany, afa-tsy ny ao atsimo izay manana toetanin-jana-pehin-tany. Manodidina ny 28 °C ny sala-maripana, nefa mety midina hatrany amin' ny 0 °C izany ao amin' ireo faritra be tendrombohitra, ary mety tafakatra any amin' ny 47 °C amin' ny faritra amorontsiraka. Mahalana ny filatsahan' ny orana izay tsy hita raha tsy amin' ny volana Marsa sy Avrily ary Mey. Manjaka noho izany ny haintany.

Saika ny vahoaka sômaliana manontolo no ao amin' ny vondrom-poko sômaly. Mitovy fiteny sady samy manaraka ny fivavahana silamo izy ireo ary itoviany koa ny kolontsaina.

Nanjakan' ny ady an-trano teo amin' ny foko ao aminy i Sômalia nanomboka tamin' ny taona 1991 ka nanimba ny toekarena sy niteraka mosary izany. Miompana amin' ny fambolena sy ny fiompiana izany toekarena izany.

Zanatany britanika sy italiana i Sômalia izay nahazo ny fahaleovaan-tenany tamin' ny taona 1960. Ny fiteny sômaly sy ny fiteny arano no fiteny ôfisialy any Sômalia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Rohy Ivelany

[hanova | hanova ny fango]
    Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

    Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
    Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.