Aller au contenu

Fihavaozana karismatika katôlika

Avy amin'i Wikipedia
Vavaka karismatika ho fanasitranana

Ny fihavaozana karismatika katôlika na fanavaozana karismatika katôlika dia hetsika ao anatin' ny Eglizy Katôlika izay anisan' ilay hetsika karismatika izay nahazo ireo fiangonana kristianina ara-tantara[1][2]. Izany dia hetsi-pifohazana katôlika izay niseho tany Etazonia tamin' ny tapaky ny taompolo 1960. Tahaka ny pentekôtisma niaviany, dia manantitrantitra ny traikefa manokan' isam-batan' olona miaraka amin' Andriamanitra, ny asan' ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana na karisma ananany (avy amin' ny teny grika hoe χάρισμα / khárisma, midika hoe "fahasoavana, tombontsoa"). Ity hetsika ity dia mikatsaka ny hanavao ny fomba fitoriana ny filazantsara.

Ity fihavaozana ity dia nofaritana ho "riam-pahasoavana"[3]. Nanomboka tamin' ny taona 1967 izany, rehefa nanatrika fotoam-pivavahana prôtestanta ny mpino katôlika avy ao amin' ny Oniversiten' i Duquesne, ary nilaza fa "natao batemy tamin' ny Fanahy Masina". Nisy fiantraikany lehibe ny prôtestantisma amerikana, indrindra fa ny pentekôtista evanjelika, niaraka amin' ny fanamafisana ny fananana "fifandraisana manokana amin' i Jesoa", traikefa ara-pihetseham-po lalina, sy fanehoana ny "fanomezan' ny Fanahy Masina"[4].

Ny kardinaly Leo Jozef Suenens dia namaritra ny fihavaozana karismatika ho toy izao:

"Tsy hetsika manokana; ny fihavaozana dia tsy hetsika amin' ny heviny mahazatra ara-tsôsiôlôjia; tsy manana mpanorina, tsy ranoray ary ahitana karazana zava-misy maro samihafa; ny riam-pahasoavana izany, fofonaina nohavaozina avy amin' ny Fanahy ho an' ny mpikambana rehetra ao amin' ny Eglizy, laîka, relijiozy, pretra ary eveka. Fanamby ho antsika rehetra izany. Tsy ao amin' ny Fihavaozana isika, fa ny Fihavaozana kosa no lasa ao amintsika raha manaiky ny fahasoavana atolony antsika isika"[5].

Izao koa no nolazain' ny kardinaly Raniero Cantalamessa:

"Tsy andiana tsangan-kevitra sy tenim-pinoana fotsiny intsony Izy [Jesoa Kristy]. ... tsy zavatra anaovana fanompoam-pivavahana sy fahatsiarovana fotsiny intsony fa zava-misy velona ao amin' ny Fanahy"[6].

Ny Katôlika izay manao fanompoam-pivavahana karismatika dia matetika manao fivoriam-bavaka ivelan' ny Sorona Masina izay ahitana faminaniana sy fanasitranana amin' ny alalan' ny finoana, ary fiteny tsy fantatra. Any Ann Arbor (Michigan) dia nisy fiangonana katôlika izay milazalaza ny fanompoam-pivavahana karismatika ho "tanana atsangana mandritra ny fihirana sy ny vavaka heno amin' ny fiteny tsy fantatra"[7].

Araka ny voalazan' ny teôlôjiana Peter Hocken sy Tony Richie ary Christopher Stephenson, ny fihavaozana karismatika katôlika dia tena ekiomenika ary niteraka fiarahamonina miorina amin' ny fanekem-pihavanana miaraka amin' ny mpikambana avy amin' ny antokom-pinoana kristiana lehibe izay mitondra "fiainana iombonana mifototra amin' ny batemy ao amin' ny Fanahy Masina"[8].

Ny fiheverana ny hetsika karismatika ao anatin' ny Eglizy Katôlika dia miovaova, na dia nandray amim-pankasitrahana izany ny papa efatra farany (Joany Paoly II, Fransoà, Benoà XVI). Ny mpomba ny fihavaozana karismatika dia mino fa ny kharismata sasany (teny grika midika hoe "fanomezana") dia mbola omen' ny Fanahy Masina amin' izao andro izao tahaka ny tamin' ny fiandohan' ny kristianisma araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly. Ny mpitsikera dia miampanga ny Katôlika karismatika ho mandika vilana, na amin' ny toe-javatra sasany, tsy manaraka ny fampianaran' ny Eglizy momba ny fanompoam-pivavahana sy ny litorjia. Ny Katôlika tradisiônalista, indrindraindrindra, dia milaza fa ny fanao karismatika dia mampivily ny fifantohana amin' ny fanompoam-pivavahana any ivelan' ny fiombonana amin' i Kristy ao amin' ny Eokaristia ary manolo izany amin' ny fihetseham-pon' ny tsirairay sy amin' ny traikefa tsy araka ny litorjia. Ny Katôika hafa dia milaza fa ny fandraisany anjara amin' ny fihavaozana karismatika dia namelona indray ny finoany ary nitarika azy ireo ho amin' ny fanoloran-tena lalina kokoa amin' i Kristy ao amin' ny Eokaristia sy ho amin' ny fankasitrahana feno kokoa ny litorjia.

Fototra ara-teôlôjia[hanova | hanova ny fango]

Ny mpiaro ny fihavaozana dia mino fa ny karisma hita ao amin' ny asasoratr' i Masindahy Paoly, indrindra ao amin' ny Rômanina 12:6–8, 1Kôrintianina 12–14, ary Efezianina 4:11–12, dia mbola misy sy manorina ny Eglizy (jereo ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, §2003). Ny fanomezam-pahasoavana sivy izay heverina ho miavaka dia ahitana: ny finoana, ny fanehoana fahalalana sy fahendrena, ny fahagagana, ny fanomezam-pahasoavana amin' ny fiteny tsy fantatra sy fandikana izany, ny faminaniana, ny fahaiza-manavaka ny fanahy ary ny fanasitranana (1Kôrintianina 12:8–10). Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia mifandray amin' ny fanomezam-pahasoavana fito avy amin' ny Fanahy Masina voalaza ao amin' ny Izaia 11:1–2 (fahendrena, fahalalana, torohevitra, hery, fahalalana, fitiavam-bavaka, ary fahatahorana ny Tompo, araka ny voatanisa ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, §1831). Ireo fanomezam-pahasoavana sivy ao amin' ny 1Kôrintianina 12:8–10 dia mifandray amin' ny asa famindram-po ara-panahy sy ara-nofo ihany koa. Ny fanondroana hafa momba ny karisma ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika dia ahitana ny §§688, 768, 799–801, 890, 951, 1508 (karisman' ny fanasitranana) ary 2035. Ny finoana fa misy ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy amin' izao fotoana izao dia antsoina hoe kôntinoasiônisma.

Ny batemy ao amin' ny Fanahy Masina[hanova | hanova ny fango]

Ny voan-kevitra fototra ao amin' ny fihavaozana karismatika dia ny fiainana ny "batemy ao amin' ny Fanahy Masina" (na ny "batemy miaraka amin' ny Fanahy Masina" na ny "fahafenoana ny Fanahy Masina"). Izany dia manondro olona iray mahazo traikefa manokana momba ny herin' Andriamanitra, toy ny nataon' ny Apôstôly nandritra ny Pentekôty; ary tahaka ny nataon' ny mpino tao amin' ny Fiangonana tany am-piandohana fony izy ireo natao batemy sy nandray vavaka sy fametrahan-tanana, na nandrenesana fotsiny ny vaovao mahafalin' ny famonjena. Ny teôlôjiana katôlika McDonell sy Montague dia manatsoaka hevitra, avy amin' ny fandalinany ny Baiboly sy ny mpanoratra kristiana tamin' ny Andro Taloha, fa "ny batemy ao amin' ny Fanahy dia tsy misy afa-tsy amin' ny fanomboha-mizatra ataon' ny Kristiana". Hoy izy ireo hoe "tsy fahasoavana manokana ho an' ny olona sasantsasany ny batemy ao amin' ny Fanahy fa fahasoavana iombonana ho an' ny rehetra”.

Ny Katôlika tradisiônalista dia mihevitra fa ny Sakramentan' ny Batemy dia ampy. Na izany aza, ny kardinaly Raniero Cantalamessa, mpitoriteny ao amin’ ny Trano Pôntifikaly, dia manazava fa “ny teôlôjia katôlika dia manaiky ny voan-kevitra ny amin' ny sakramenta izay manan-kery nefa voafatotra. Atao hoe voafatotra ny sakramenta raha toa ka mijanona ho voafatotra ny vokatra izay tokony hiaraka aminy noho ny sakana sasany izay tsy mamela ny fahombiazany." Notohizany izany ka nilaza izy fa ny sakramenta dia tsy fombafomba fanao amin' ny mazia izay miasa ara-mekanika, tsy misy fahalalana na valiny avy amin' ilay olona. Ny valin-tenin' ny tsirairay sy ny finoany dia ilaina mba hidiran' ny fahasoavana sy ny herin' ny sakramenta eo amin' ny fiainany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Johnson, Todd M. (27 May 2020). "Pentecostal/Charismatic Christianity". Gordon–Conwell Theological Seminary.
  2. Hocken, Peter (2009). The Challenges of the Pentecostal, Charismatic, and Messianic Jewish Movements: The Tensions of the Spirit. Ashgate Publishing. p. 58.
  3. "To participants in the 37th National Convocation of the Renewal in the Holy Spirit (1 June 2014) | Francis". w2.vatican.va.
  4. Csordas, Thomas J. (September 2007). "Global religion and the re-enchantment of the world: The case of the Catholic Charismatic Renewal". Anthropological Theory. 7 (3): 295–314.
  5. Pope Francis quoting Cardinal Seunens (3 July 2015). "Address of His Holiness Pope Francis to the Renewal in the Holy Spirit Movement". The Vatican.
  6. "The Catholic Charismatic Renewal: A Current of Grace for the whole Church | CHARIS".
  7. Christ the King Catholic Church. Arsiva tamin' ny 07/05/2006 ao amin' ny Wayback Machine
  8. Hocken, Peter; Richie, Tony L.; Stephenson, Christopher A., eds. (16 September 2019). Pentecostal Theology and Ecumenical Theology: Interpretations and Intersections. Brill Publishers. p. 45.