Aller au contenu

Peter Hocken

Avy amin'i Wikipedia

I Peter Hocken dia teôlôjiana britanika ary mpahay tantara momba ny fihavaozana karismatika katôlika sy ny hetsika pentekôtista tamin' ny taonjato faha-20. Teraka tamin' ny 22 Jona 1932 izy ary maty tamin' ny 10 Jona 2017.

Teraka tany Brighton, any Angletera, i Hocken dia voatendry ho pretra tao amin' ny Eglizy Katôlika Rômanina ho an' ny Diôsezin' i Northampton tamin' ny taona 1964. Nampianatra ny teôlôjia môraly tao amin' ny Oscott College, Birmingham, any Angletera izy (1968 – 1976). Nahazo alalana handao ilay firenena izy mba hanatevin-daharana ny Mother of God Community ("Fikambanana Renin' Andriamanitra"), any Washington DC, Etazonia, izay naha mpikambana mavitrika azy teo anelanelan' ny taona 1976 sy 1996. Nandray anjara tsy tapaka tamin' ny fanoratana tao amin' ny gazetiboky The Word Among Us momba ny fanoloran-tena izy ho an' ny fikambana, Tamin' ny taona 1984 izy dia nahazo ny "Doctor of Philosophy" (na PhD) tamin' ny fikarohana nataony momba ny tantaran' ny fihavaozana karismatika avy amin' ny Oniversiten' i Birmingham, any Angletera. Niverina tany Angletera i Hocken tamin' ny taona 1997, lasa aomônien' ny evekan' i Northampton (1997 - 2001). Tamin' ny taona 2001 dia nahazo ny anaram-boninahitra hoe "Mônsenera" noho ny fangatahan' ny eveka Patrick Leo McCartie izy. Tamin' ny taona 2008 ka hatramin' ny taona 2017 i Hocken dia nipetraka tany Hainburg an der Donau, any Aotrisy.

I Hocken dia navitrika tao amin' ilay hetsika karismatika nanomboka tamin' ny taona 1971 ary niasa ho sekretera mpanatanteraka tao amin' ny Society for Pentecostal Studies ("Fikambanana ho an' ny Fandalinana Pentekôtista") tamin' ny 1988 ka hatramin' ny 1997. Mpikambana ao amin' ny fifampiresahana tsy ôfisialy teo amin' ny Katôlika sy ny Jiosy messianika (nanomboka tamin' ny taona 2000) izy ary mpikambana ao amin' ny Theology Commission for the International Catholic Charismatic Renewal ("Vaomieran' ny Teôlôjia ho an' ny fihavaozana karismatika katôlika iraisam-pirenena") (nanomboka tamin' ny taona 2003). Nanoratra boky be dia be momba ny fihavaozana karismatika sy ny fiombonana kristiana ary ny jodaisma mesianika izy. Maty tamin' ny 10 Jona 2017 teo amin' ny faha-84 taonany izy.

Boky nosoratany

[hanova | hanova ny fango]
  • Streams of Renewal (1986, revised 1997)
  • One Lord One Spirit One Body (1987)
  • Dictionary of Pentecostal and Charismatic Movements (1988) – many articles
  • The Glory and the Shame (1994)
  • The Strategy of the Spirit? (1996)
  • Blazing the Trail: Where Is The Holy Spirit Leading The Church? (2001)
  • The Spirit of Unity: How Renewal is Breaking Down Barriers between Evangelicals and Roman Catholics (2001)
  • Toward Jerusalem Council Two: The Vision and the Story (2002, revised 2004)
  • The New International Dictionary of Pentecostal and Charismatic Movements (2002) – many articles
  • God's Masterplan: Penetrating the Mystery of Christ (2003)
  • The Banquet of Life: The Dignity of the Human Person (2004)
  • The Messianic Jewish Movement, with Daniel Juster (2004)
  • The Marranos (2006)
  • Church Forward: Reflections on the Renewal of the Church (2007)
  • The Challenges of the Pentcostal, Charismatic and Messianic Jewish Movements (2009)
  • Pentecost and Parousia: Charismatic Renewal, Christian Unity, and the Coming Glory (2014)
  • Azusa, Rome and Zion (2016)