Aller au contenu

Mazia (finoana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny mazia na hatsarana dia fanao mifototra amin' ny finoana ny fisian' ny zavaboary na hery na fahefana miafina sy mihoatra ny natoraly, izay afaka mampisy fiovana, amin' ny alalan' ny fomba izay toa tsy araka ny lalànan' ny saina, eo amin' ny tontolo tsapa sy hita amin' ny alalan' ny fombafomba natokana ho amin' izany.

Ny fivoaran' ny fahalalana ara-tsiansa tao amin' ny Tontolo Tandrefana kristiana hatramin' ny Andro Antenatenany, tamin' ny fanomezana fanazavana momba ny zava-miseho voajanahary, dia nanohitra tsikelikely ny finoana ny mazia. Ny mazia koa dia azo lazaina ho andiana hetsika sy haitao natao hikirakirana ny fitaovana sy angovo tsy hita maso na tsy azo tsapain-tanana, izay tsy fantatry ny siansa.

Ny sehatry ny mazia dia tonga amin' ny fampidirana singa izay mety ho ao anatin' ny sehatry ny fivavahana, toy ny Kabbalah (fombanan' ny mistika jiosy izay heverina ho esôterika sy miafina), ny yoga (fotopampianarana ara-panahy avy amin' ny fivavahana darmika indiana) na ny Yi-Jing (asasoratra momba ny vinany avy amin' ny kôsmôlôjia taôista); vokatr' izany, ny fomba fijerin' ny etnôlôjia ankehitriny dia mazàna mampiasa ny teny hoe "fsainanana ara-mazia sy ara-pivavahana".