Esôterisma

Avy amin'i Wikipedia
Ny Hazon' Aina dia aseho an' ohatra ao amin' ny kabala,, misy ny Sefirot.

Ny esôterisma na ezôterisma dia manondro ny fampianarana miafina rehetra natokana ho an' ny mpikambana. Io teny io, izay miova hevitra, arakaraka ny vanim-potoana sy ny mpanoratra, ka ampiasaina indraindray amin' ny kolontsaim-bahoaka mba hiresahana momba ny firehan' eritreritra tsy mitovy amin' ny an' ny besinimaro izay misy zavatra miafina na hafahafa (fikambanana miafina, ôkoltisma, paranôrmaly, mazia, sns).

Teo amin' ny Grika fahiny, ny mistery, toy ny an' i Eleosisy, dia nampita fampianarana esôterika. Ny teny hoe "esôterisma" koa dia nampiasaina tany amin' ny Tontolo Andrefana mba hanondroana ny fampianarana sy ny firehana, izay ao anatin' ny kristianisma, an' ny fikambanana mihidy, mivondrona eo ambanin' ny anarana ankapobeny hoe esôterisma kristiana izay an' ny hermetisma kristiana manokana. Ampiasainay koa io anarana io amin' ity toe-javatra ity, mifandraika amin' ny asasoratr' i Jacob Boehme sy Jean de Ruisbroek, izay nomena ny anarana hoe asasoratra teôzôfika. Ity teny farany ity dia tsy tokony havahana amin' ny Fikambanana Teôsôfika, noforonin' i Helena Blavatsky tamin' ny 1875, izay notoherin' i René Guénon ny maha esôterika azy tamin' ny taona 1921, saingy neken' i Pierre A. Riffard tamin' ny taona 1990. Ny antrôpôzôfian' i Rudolf Steiner dia esôterisma kristiana, izay nofaritan' i Robert Sumser ho "ôkoltisma rasiônalista".

Ny teny hoe "esôterisma" dia ampiasaina momba ny finoana silamo mba hanondroana ny sofisma (tasawwuf amin' ny teny arabo). Ao amin' ny jodaisma, ny fampianarana amin' ny endrika esôterika dia mivondrona amin' ny anarana hoe kabala (Qabbala). Ny taôisma, ohatra amin' ny lafiny mifandraika amin' ny fikatsahana ny tsy fahafatesana, dia heverina ho esôterika ihany koa. Ny bodisma dia misy sampana esôterika (ny bodisma vajraiana tibetana, ny shingon japôney ) manoro ny fanombohana mba hahatratrarana ny nirvana.

Amin' izao fotoana izao any amin' ny Tandrefana, ny teny hoe "esôterisma" dia niitatra tamin' ny firehana marobe, anisan' izany ny mazia, saingy ny fampiharana an' io teny io amin' ireo sehatra ireo dia misy manohitra, indrindra an' i René Guénon. Ankoatra izay, ny hetsika miendrika sekta sasany dia mifototra amin' ny lahatsoratra sy foto-kevitra misy vontoatiny esôterika.