Teôzôfia

Avy amin'i Wikipedia

Ny teôzôfia dia fomba fiainana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana, ary endrika manokan' ny fikatsahana ara-panahy ny fahalalana ny amin' Andriamanitra sy izao tontolo izao amin' ny alalan' ny fahatsapana mistika mivantana sy ny fametraham-panontaniana ara-pilôzôfia.

Io teny hoe teôzôfia io dia avy amin' ny teny grika hoe θεός / theos sy σοφία / sophia, ka midika ara-piforonan-teny hoe "fahendren' Andriamanitra".

Ny teny hoe teôzôfia dia manana heviny roa miavaka tsara. Ny voalohany dia manondro vondrom-pampianarana ezôterika nandritra ny Andro Taloha sady mety mbola nitohy fisiana tany Andrefana, tamin' ny alalan' ny teôzôfia kristiana alemàna izay nampandrosoin' i Jakob Böhme tamin' ny taonjato faha-17. Ny faharoa dia ny "teôzôfian' ny Andro Ankehitriny" na "teôzôfisma", izay manondro ny Fikambanana teôzôfika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]