Aller au contenu

Vinany (fanao)

Avy amin'i Wikipedia
Ity lehilahy ao Rhumsiki any Kamerona ity dia milaza ny hoavy amin' ny fandikana ny fiovan-toeran' ny zavatra isan-karazany vokatry ny fihetsehan' ny fozan-dranomamy amin' ny alalan' ny fanaovana nggàm.

Ny vinany, izay mety hatao hoe sikidy na faminaniana na fanandroana ihany koa, dia fomba fanao amin' ny ôkoltisma sy metafizika izay ikendrena ny hahita izay tsy fantatra: ny hoavy, ny miafina, ny lasa, ny harena, ny aretina tsy hita maso, ny tsiambaratelo, ny zava-miafina, sns amin' ny fomba tsy voasaina. Na lahateny faminaniana izany na fahitana ivelan' ny taovam-pandrenesana, ireo izay mampihatra izany dia milaza fa manana fahalalana tsy azo hazavaina ara-tsiansa momba ny hoavy na ny miafina.

Ny vinany dia fanao izay misy karazany maro: fiasa mandeha ho azy na misy fitsipika arahina (ny nofy, ny rano na ny menaka), nentim-paharazana (ny sikidy, ny Ifa ao amin' ny vahoaka iôroba, ny Yi Jing sinoa) na môderina (ny fampiasana ny tarehin-tsoratra ronika), an' ny vahoaka tsotra (ny fampiasana ny karatra) na an' ny manam-pahaizana (ny fanandroana indiana), ampahany ao amin' ny fivavahana iray (ny vinany tany Grisia taloha, ny rishi ao amin' ny fivavahana indiana).