Aller au contenu

Hoavy

Avy amin'i Wikipedia
Famantaranandro

Ny hoavy dia ny fotoana aorian' ny lasa sy ny ankehitriny. Heverina ho tsy azo ihodivirana ny fahatongavany noho ny fisian' ny fotoana sy ny lalànan' ny fizika. Noho ny fomban' ny zava-misy izay miseho sy ny tsy maha azo ihodivirana ny hoavy, dia azo sokajina ho maharitra ny zava-drehetra misy sy mbola hisy, izany hoe hisy mandrakizay na mihelina, izany hoe hanam-pahataperana. Amin' ny tandrefana, izay mampiasa fomba fijery manara-tsipika momba ny fotoana, dia ampahany amin' ny filaharam-potoana vinavinaina mialoha fa hitranga ny hoavy.

Ao amin' ny filôzôfian' ny fotoana, ny prezentisma dia finoana fa ny ankehitriny ihany no misy fa ny hoavy sy ny lasa dia tsy misy. Mihevitra ny hoavy ny fivavahana rehefa miresaka olana toy ny karma sy ny fiainana aorian' ny fahafatesana ary ny eskatôlôjia izay mandalina ny ho endriky ny fara andro sy ny fiafaran' izao tontolo izao. Ny olo-malaza ara-pivavahana toy ny mpaminany sy ny mpisikidy dia milaza fa mahita ny hoavy. Ny fandalinana ny hoavy, izay atao hoe fotorôlôjia, dia siansa sy zavakanto ary fampiharana ny filazana momba ny hoavy isankarazany izy mety afaka ny ho tanteraka. Ny mpanao fampiharana ankehitriny dia manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny hoavy hafa sy maro, fa tsy hoavy tokana, ary ny famerana ny faminaniana sy ny vinavina, izay mifanohitra amin' ny famoronana ny hoavy mety hitranga sy tiana kokoa. Finoana ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy ho efa voafaritra mialoha ny predeterminisma.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]