Fiainana aorian' ny fahafatesana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiainana aorian' ny fahafatesana na fiainana any an-koatra dia fitohizan' ny fiainan' ny fanahy na ny fieritreretan' ny zava-manana aina aorian' ny fahafatesany. Maro ny endrika mety hisehoan' izany ka ny fiainana any am-paradisa na any amin' ny helo aorian' ny fitsanganan-ko velona, araka ireo fivavahana abrahamika, dia isan' izany. Maro koa ny fivavahana mampianatra ny fisian' ny fiainana any an-koatra, isan' izany ny fivavahan' ny Egiptiana taloha, ny fivavahan' ny Grika sy ny Rômana taloha, ny fivavahan' ireo mponina tao amin' ny tapany avaratr' i Eorôpa, ny fivavahana kristiana, ny finoana silamo, ny jodaisma (afa-tsy ny an' ny Sadoseo), ny bodisma, ny hindoisma, ny jainisma, ny sikisma, ny zôrôastrisma, ny fivavahan-drazana afrikana sy ny hafa koa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]