Fiainan-tsy hita

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Helo)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Fidinan'i Jesosy tany amin'ny fiainan-tsy hita

Ny fiainan-tsy hita na helo dia toerana itoeran'ny olona na ny zava-manana aina hafa aorian'ny fahafatesana. Amin'ny heviny mifintina dia toarana anasaziana mandrakizay ny olona voaozona ny fiainan-tsy hita.

Ny foto-pampianarana sy ny tenim-pinoana momba ny fisian'ny fiainan-tsy hita dia nateraky ny foto-kevitra mitaky ny fanamarinana ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny fitsarana, izay misy ifandraisany amin'ny fahatsapan'ny olona ny fisian'ny asa sy toetra ratsy izay tsy ampy sazy nandritra ny fiainan'izay nanatanteraka izany asa ratsy izany na nanana izany toetra ratsy izany.

Niely tamin'ny Andro Taloha sady hita amin'ny ankamaroan'ny fivavahana eto amin'izao tontolo izao ny finoana ny fiainan-tsy hita. Ny famaritana ny fiainan-tsy hita dia miovaova arakaraka ny fivavahana ary indraindray anaovana fivoasana samihafa ao amin'ny fivavahana iray. Ao amin'ny bodisma ohatra dia toetran'ny fanahin'ny olona itambesaran'ny faniriana sy ny fahamaizam-po ny fiainan-tsy hita.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe fiainan-tsy hita dia nandikana ny teny latina hoe infernus izay midika ara-bakiteny hoe "izay ao ambany". Ny teny hoe helo kosa dia fanagasiana ny teny anglisy hoe hell izay mitovy dika amin'ny teny latina hoe infernus.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]