Aller au contenu

Menaka

Avy amin'i Wikipedia
Ny menaka ôliva, ampiasaina ho an'ny sakafo

Ny menaka zava-matavy sy maisatra izay lasa ranoka rehefa azon' ny hafanana manodidina, izay tsy mety mifangaro amin' ny rano sady maivana kokoa noho ny rano, avy amin' ny biby, ny zavamaniry, ny mineraly na noforonin' olombelona.

Ny menaka dia samihafa amin' ny tavy, ohatra ny paty, rehefa ampiasaina amin' ny fomba ara-dalana. Any amin' ny tany mangatsiatsiaka, ny menaka sasantsasany, indrindra ny menaka ranoka, dia mety mivaingana rehefa mangatsiaka ny andro.

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe menaka dia avy amin' ny fototeny malaiô-pôlinezianina andrefana hoe minyak, izay lasa nivadika hoe menaka amin' ny teny malagasy.

Ny menaky ny zavamaniry dia vita amin' ny asidra matavy ary ny menaky ny biby dia vita amin' ny estera gliserinina samihafa.

Ny menaka sakafo, avy amin' ny zavamaniry na avy amin' ny biby. Izy ireo dia amboarina any amin' ny mpanao menaka, matetika amin' ny alalan' ny fipotsirana ny vihim-boa mitera-menaka.

Ny menaka esansialy dia alaina amin' ny alalan' ny fananihiana (distillation), noho ny havitsiny ao amin' ny zavatra nangalana azy. Matetika ampiasaina any amin' ny ranomanitra izy na any amin' ny kôsmetika.

Ny menaka ampiasaina ho an' ny môteran' ny fiarakodia na môtera mandeha miaraka amin' ny hidirôkarbiora

Ny menaka mineraly dia fangaro hidirôkarbiora. Any Etazonia, ny solitany dia lazaina fa menaka, izy io dia mety avy amin' ny fananihiana ny arintany na ny sista misy molanga (frantsay: schiste bitumineux). Matetika ampiasaina amin' ny mekanika izy.

Ny menaka môtera dia ampiasaina ho an' ny môtera mampiasa hidirôkarbiora.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.