Etnôlôjia

Avy amin'i Wikipedia
Bronisław Malinowski

Ny etnôlôjia dia sehatra akademika sy taranja mampitaha sy mandalina ny toetran' ny vahoaka na foko samihafa sy ny fifandraisan' izy ireo. Ny toetran' ny kolontsaina manokana an' ny vondrona iray (na izay itambaran' ity vondrona ity amin' ny hafa, fa ny fanova na ny fifangaroan' izany dia azy manokana) izay ahafahana manavaka azy io ho "vondrom-poko", izay tanjon' ny fandalinana ataon' ny etnôlôjia.

Ny teny hoe etnôlôjia dia avy amin' ny teny grika hoe ἔθνος / ethnos izay midika hoe "vahoaka iray fiaviana".

Claude Lévi-Strauss

Amin' ny fampiasana ny rijan-kevitra sy ny foto-kevitra azy manokana dia miezaka ny ho afaka mamolavola ny rafitra sy ny fiasa ary ny fivoaran' ny fiarahamonina. Misy rijan-kevitra roa mifanohitra ny etnôlôjia, dia ny fônksiônalisman' i Bronisław Malinowski (mifototra amin' ny anjara asa) sy ny stroktoralisman' i Claude Lévi-Strauss (mifototra amin' ny rafitra).