Aller au contenu

Word of God (fikambanana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Word of God ("Tenin' Andriamanitra") dia fikambanana ekiomenika sy karismatika ary misiônera teraka tao Ann Arbor any Michigan. Nanomboka tamin' ny taona 1967 ilay fikambanana nandritra ny fitoriana ny vaovao mahafaly ho an' ny mpianatra tao amin' ny Oniversiten' i Michigan. Tany am-boalohany dia nisy Katôlika ilay vondrona, saingy niitatra ka nahitana Presbiteriana, Loterana, Batista ary Kristianina hafa.