Hetsika karismatika evanjelika

Avy amin'i Wikipedia

Ny hetsika karismatika evanjelika na hetsika karismatika ara-pilazantsara dia firehan' ny kristianisma evanjelika (na evanjelisma) izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny taona 1960 izy io ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Miavaka amin' ny pentekôtisma io hetsika io noho izy tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny batisan' ny Fanahy Masina izay nambaran' i Jesoa mialoha sady manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina. Araka ny tarehimarika nomen' ny Pew Research Center dia ahitana mpino miisa 305 000 000 io hetsika io tamin' ny taona 2011.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]