Aller au contenu

People of Praise

Avy amin'i Wikipedia

Ny People of Praise dia vondrona katôlika avy any Amerika. Ity vondrona ity dia manana mpikambana olon-dehibe 2 000 any Etazonia, any Kanada ary any Karaiba hatramin' ny taona 2018, ary mitantana sekoly telo any Etazonia. Niorina tamin' ny taona 1971 tao anatin' ny tontolon' ny fipoiran' ny ministera sy ny hetsika laîka tao amin' ny Eglizy Katôlika.

Ekiomenika amin' ny fomba ôfisialy sy misokatra ho an' ny Kristianina tsy mitovy finoana ilay vondrona, Katôlika anefa ny ankamaroan' ny mpikambana ao aminy. Voalaza fa môdely ho an' ny boky The Handmaid's Tale nosoratan' i Margaret Atwood ity fikambanana kristiana mahery vaika ity.

Nanjary fantatra ilay vondrona rehefa fantapantatra mialoha ny iray amin' ny mpikambana ao aminy, i Amy Coney Barrett, ary voafidy hiasa ao amin' ny Fitsarana Tampon' i Etazonia, rehefa nohamafisin' ny latsa-baton' ny maro anisa ao amin' ny Antenimierandoholona (Senate).