Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
Lahatsoratra 98 343 amin’ny teny malagasy |
Takelak’ity volana ityNy Antanosy na Tanosy dia vondrom-poko ao amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara dia ny faritra Anosy izany izay misy an' i Taolagnaro, eo anelanelan' i Masianaka sy Mandrare no misy azy betsaka indrindra, nefa ahitana azy koa ny tanàna toa an' i Bezaha sy Vatolatsaka (ao amin' ny distrikan' i Betioky-Atsimo) ary any Bereketa (distrikan' i Sakaraha) any amin' ny faritra Atsimo-Andrefana. I Taolagnaro no tanan-dehiben' izy ireo. Ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, dia nifindra any taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy. Tombanana ho 360 000 ny Antanosy tamin' ny taona 2013. Ao amin' ny Faritra Anosy ao atsimo-atsinanan' i Madagasikara no tena fonenan' izy ireo, na dia eo aza ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, izay nifindran' ny sasany tamin' ireo Antanosy taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy.Tamin' ny taonjato faha-19 ny Antanosy dia nibodo ny ampahan-tanin' ny Mahafaly sy ny an' ny Bara, hatrany amin' ny reniranon' i Onilahy any atsimo-andrefana, noho ny fahaiza-manaony. Izany fifindrà-monina izany dia vokatry ny fahatongavan' ny tafika merina tany Anosy[1]. Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013[2]. 2 % n' ny vahoaka malagasy eo ho eo ny Antanosy, ka isan' ireo vondrom-poko madinika eto Madagasikara amin' ny isan' ny mponina sy amin' ny velaran' ny tany nonenan' ny razany[3]. Ny razamben' ny Antanosy ankehitriny dia nifindra monina avy any avaratra tokony ho 150–200 taona lasa izay. (tohiny...)
Lahatsoratra tsara vakianaNy Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[4]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly. Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty. Miteny mahafaly, izay fitenim-paritra mifanakaiky amin' ny fiteny antandroy, izay fiteny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana ny Mahafaly. Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[5]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[6]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[7]. (tohiny...) |
Sarin’ny anio
Ny vaovao Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
EfemeridaMbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Alarobia 20 Novambra ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
Wikitanisa raki-pitanisana |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |
- ↑ Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO.
- ↑ Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. p. .
- ↑ Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115.
- ↑ Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.
- ↑ Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
- ↑ Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.
- ↑ Zimmermann, Maurice (1911). "Le pays Mahafaly dans le sud Malgache". Annales de Géographie. 20 (110).