Aller au contenu

Magy

Avy amin'i Wikipedia

Ny magy na majy dia olona ao amin' ny foko mediana (araka an’ i Herôdôtôsy) izay nisahana ny asam-pisoronana tany Iràna. Nisy amin' izy ireo ny voalaza ao amin' ny Baiboly ho notarihina kintana iray ka tonga namangy sy nanao fanomezana ho an' i Jesoa (na Jesosy) vao teraka.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe magy na majy dia avy amin' ny teny grika hoe μάγοις / magois izay avy amin' ny teny persana hoe maga na magis.

Araka ny mpanoratra tranainy grika sy tandrefana[hanova | hanova ny fango]

Niseho tao amin' ny tontolo tandrefana io teny io nanomboka tamin' ireo taonjato voalohany ka nampiasaina hanondroana ny olona niaraka tamin' ny fivavahan' i Zaratostra sady mpikarakara ny fanopoam-pivavahana amin' i Ahora Mazda. Tsy izy ireo anefa no mpivavaka voalohany tamin' ny mazdeisma. Tsy voasoratra ao amin' ny Avesta ny anaran' izy ireo. Ny mpanoratra tranainy dia nanao ny magy ho ombiasa (na ombiasy) ka izany no niheverana ny fanao maizimaizina sy miafinafina ho asan' ny magy na majy ka atao hoe majika na mazỳ.

Heverina ho vahoaka niova finoana ho amin' ny fivavahana nohavaozin' i Zaratostra, atao hoe zôrôastrisma, ny magy ary ireo zana-poko ao aminy dia mety naka tsikelikely ho azy samirery ny fahefam-pisoronana. Tsy azo fototra tsara anefa ny amin' izany satria tsy misy na soratra na zavatra hafa manaporofo azy. Taorian' ny fiorenan' ny fivavahana silamo tao Iràna dia nanjavona tsy hita intsony ny magy.

Raha ny amin' ny majika (fanaovana hatsarana) ataon' ny magy iraniana indray no resahina dia zavatra tsy marina izany. Ny mpanoratra grika tranainy izay nitady tahirin-kevitra momba an' i Iràna dia nifampiraharaha tamina magy efa nanana kolontsaina grika sy efa nonina tany Mesôpôtamia, tany Kaldea, tany Anatôlia, sns ka efa nandray fomba amam-panao avy any ivelan' i Iràna. Noho izany ny filalaovana fanafody sy ny fanandroana izay tsy tian' i Zaratostra sy nozoniny tao amin' ny tononkira (gata) nataony dia noheverin' ny Grika sy ny Tandrefana rehetra ho fahaizana manokan' ny Mazdeana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]