Iràna
جمهوری اسلامی ايران ((fa)) | |||||
Jomhuriye Eslāmiye Irān fa | |||||
Repoblika Islamikan'i Iran ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Esteghlāl, Āzādi, Jomhuri-e Eslāmi («Fahaleovan-tena, Fahafahana, Repoblika Islamika») | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | persana | ||||
Renivohitra | Teheran 35°40′29″N 51°25′20″E / 35.67472°N 51.42222°E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Teheran | ||||
Fitondrana sy governemanta - Rahbar - Filoha |
Repoblika Islamika Ali Khamenei Mahmoud Ahmadinejad | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 16 1 648 195 km² 0,7 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2011) - hakitroka |
faha 17 77 891 220 mpo. 40 mpo./km²
| ||||
Anaran'ny mponina | Iranianina | ||||
IDH (2007) | (mitombo) 0,782 (antonony) faha-88 | ||||
Sandam-bola | Rial iranianina (IRR )
| ||||
Faritr'ora | UTC +3:30 | ||||
Hiram-pirenena | Ey Iran (de facto), Soroud-e Melli-e Jomhouri-e Eslami-e Iran (ofisialy), | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+98
|
Iràna (amin'ny fiteny persana: ایران [ʔiˈɾɒn]) na Repoblika Islamikan'i Iràna (ami'ny fiteny persana: جمهوری اسلامی ایران, Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān) dia firenena ao Azia Andrefana. Ny anarana "Iran" dia avy amin'ny fiteny persana izay midika "Tanin'ny Arianina", ary efa nampiasain'ny foko persiana hatry ny taona taloha, tamin'ny fitaon'ny Sasanida.
Iràna dia firenena faha-18 mivelatra indrindra (velarantany: 1,468 tapitrisa kilometatra toradra); ny isam-poniny dia 75 tapitrisa mponina. Any avaratra, ny firenena manodidina azy dia Armenia, Azerbaijàna, Torkmenistàna; any atsimo dia misy ny helotrano persika; any andrefana, ireo firenena manodidina azy dia Iràka, Torkia; any atsinanana dia voadidin'i Pakistàna ary Afganistàna ilay firenena. Ny renivohiny dia Teheran; ny anaran'ny sandam-bola dia Rial; ny kalandrie ofisialy dia ny kalandrie persana ary ny teny ofisialy dia ny fiteny persana.
Ny fiantsoan'ny tandrefana an'i Iràna dia Persa nanomboka tamin'ny Andro Taloha hatramin'ny taona 1935. I Reza Shah no nanova azy ho Iràna tamin'io taona io amin'ny alalan'ny fangatahana ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an'ilay firenena hoe "Iràna".
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Fizarana ara-paritany[hanova | hanova ny fango]
Ao Iràna dia ahitana faritany miisa 31.
![]() |
Toe-karena[hanova | hanova ny fango]
Iran dia firenena mamokatra solintany ary firenena mpikambana amin'ny Fikambanan'ny Firenena Mamokatra Solintany (fr.: OPEP). Araky ny orinasa BP, i Iràna no firenena mamokatra solintany be indrindra ao amin'ilay fikambanana[1]. Ary lazaina fa i Iràna no tany be gaza natoraly indrindra[2]
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
Tsiahy[hanova | hanova ny fango]
|