Kaldea

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
I Kaldea sy ireo firenena manodidina azy

I Kaldea dia faritra teo anelanelan'ny tapany ambanin'ny ony Eofrata sy ny ony Tigrisy (na Tigra) ka ny mponina tao no atao hoe Kaldeana. Namorona ny fanjakan'i Somera sy ny fanjakan'i Akady ny vahoaka voalohany tao amin'io faritra io. Foko nonina tao atsimo-andrefan'i Babilona ny Kaldeana tamin'ny voalohany. Foko semita tranainy ny Kaldeana.

Ny anarana hoe Kaldea dia fanagasiana ny teny grika hoe Χαλδαία / Khaldaía izay avy amin'ny teny akadiana hoe māt Kaldu na Kašdu. Miseho amin'ny endrika hebreo ao amin'ny Baiboly hoe כשדים / Kaśdim sy amin'ny endrika aramaika hoe ܟܠܕܘ / Kaldo io teny io.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]