Mediana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Mediana)
Ny Empira Mediana

Ny Mediana na Meda dia vahoaka nonina tao avaratra-andrefan' i Iràna ankehitriny, mpifanolo-bodirindrina amin' ny Persiana (na Persa). Nivavaka amin' andriamanitra maro ny Mediana ary ny mpisorona dia nivondrona amin' ny antoko atao hoe magy na majy.

I Media dia faritra tranainy tany Azia any avaratra-andrefana amin' i Irana ankehitriny. Ny Mediana sy ny Persiana mpifanolo-bodirindrina aminy dia niteny fiteny indô-Iraniana akaikin' ny fiteny persiana taloha. Tsy dia fantatra loatra ny momba ny kolontsaina mediana.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin' ny taona 835 tal. J.K. eo ho eo, ireo foko meda dia nofehezin' ny mpanjakan' i Asiria. Manodidina ny taona 715 tal. J.K., ilay mpitarika mediana Dayaukku, izay nantsoin' i Herôdôtôsy hoe Deioces, dia nitarika fikomiana tsy nahomby tamin' ny mpanjaka Sargôna II (taona 722-705 tal. J.K.). Noheverin' ny mpandimby azy ho mpanorina ny tarana-mpanjaka mediana i Dayaukku. Tatỳ aoriana, dia nisy mpitarika mediana iray hafa fantatra tamin’ ny anarana grika hoe Phraortes (675-653 tal. J.K.) nampiray ny foko mediana ka nandroaka ny Asiriana. Novonoin’ ny Skitiana, izay nanafika an’ i Media avy any avaratra-andrefana, i Phraortes.

Ny zanak' i Phraortes, atao hoe Cyaxares (625-585 tal. J.K.), dia nanangana ny renivohiny tao Ekbatana (i Hamadān ankehitriny ao Iràna). Nandroaka ny Skitiana hiala tao Media izy tamin’ ny 625, ary resiny koa ny Persiana. Nanafika ny Asiriana izy avy eo ary nahafaka ny tanànan’ i Asur tamin’ ny taona 614 tal. J.K. Niray hina tamin’ ny fanjakan’ i Babilôna nahaleo tena izy, ka naka an’ i Ninive ary nanongana ny Empira Asiriana tamin’ ny taona 612. Nanitatra ny fanjakany hatrany amin’ ny faritra atsinanan’ i Anatôlia manontolo i Cyaxares avy eo. I Astyages zanany lahy no nandimby azy (584-550 tal. J.K.).

Nikomy ny Persiana, teo ambany fitarihan’ i Kirôsy Lehibe, tamin’ ny 550 tal. J.K. Niaraka tamin’ ny ampahany tamin’ ny tafika mediana teo ambany fitarihan’ i Harpago iray izy ireo, ka naka an’ i Ekbatana ary nesoriny ny mpanjakan’ ny Mediana. Nanomboka tamin’ io andro io dia lasa mpanompon’ i Persia i Media; noheverin’ ny Persiana ho nitovy taminy anefa ny Mediana, ka nanjary iray ihany izy roa tonta.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Vahoaka iraniana tamin' ny Andro Taloha: