Aller au contenu

Media (faritra)

Avy amin'i Wikipedia
Ny faritr' i Media

I Media dia faritra ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna, fantatra indrindra amin' ny maha fototra ara-pôlitika sy ara-kolontsain' ny Mediana azy. Nandritra ny vanim-potoan' ny Akemenida dia nahitana an' i Azerbaijàna iraniana sy i Kordistàna iraniana ary i Tabaristàna andrefana ankehitriny. Amin' ny maha satrapa teo ambanin' ny fitondran' i Akemenida azy dia nahafaoka faritra midadasika kokoa izy io tamin' ny farany, hatrany atsimon' i Dagestàna any avaratra. Taorian' ny adin' i Aleksandra Lehibe anefa dia nisaraka ny faritra avaratra noho ny fizaràna an' i Babilôna ka nanjary nantsoina hoe Atrôpatena, fa ny faritra sisa kosa dia nantsoina hoe Media Kely.