Aller au contenu

Magy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Majy)
Magy zôrôastriana mitondra baresman avy amin' ny Harenan' i Amu an' ny Empira Akemenida, taonjato faha-4 tal JK

Ny magy na majy mpianatr' i Zaratostra, na olona ao amin' ny sarangan' ny mpisorona persiana, na olona anisan' ny iray amin' ny fokom-pirenena mediana (araka an’ i Herôdôtôsy) izay nisahana ny asam-pisoronana tany Iràna. Nisy amin' izy ireo ny voalaza ao amin' ny Baiboly fa notarihina kintana iray ka tonga namangy sy nanolotra fanomezana ho an' i Jesoa (na Jesosy) vao teraka. Raha itarina ny hevitr' ity teny ity dia ampiasaina ho toy mitovy hevitra amin' ny hoe "mpanao mazia".

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe magy na majy dia avy amin' ny teny grika hoe μάγοις / magois, izay avy amin' ny teny persana hoe maga na magis.

Araka ny mpanoratra tranainy grika sy tandrefana

[hanova | hanova ny fango]

Niseho tao amin' ny tontolo tandrefana ny teny hoe magy na majy nanomboka tamin' ny taonjato voalohandohany ka nampiasaina hanondroana ny olona niaraka tamin' ny fivavahan' i Zaratostra sady mpikarakara ny fanopoam-pivavahana amin' i Ahura Mazda. Tsy izy ireo anefa no mpivavaka voalohany tamin' ny mazdeisma. Tsy voasoratra ao amin' ny Avesta ny anaran' izy ireo. Ny mpanoratra tranainy dia nanao ny magy ho ombiasa (na ombiasy) ka izany no niheverana ny fanao maizimaizina sy miafinafina ho asan' ny magy na majy ka atao hoe majika na mazia.

Heverina ho vahoaka niova finoana ho amin' ny fivavahana nohavaozin' i Zaratostra, atao hoe zôrôastrisma, ny magy ary ny zana-poko ao aminy dia mety naka tsikelikely ho azy samirery ny fahefam-pisoronana. Tsy azo fototra tsara anefa ny amin' izany satria tsy misy na soratra na zavatra hafa manaporofo azy. Taorian' ny fiorenan' ny fivavahana silamo tao Iràna dia nanjavona tsy hita intsony ny magy.

Raha ny amin' ny majika (fanaovana hatsarana) ataon' ny magy iraniana indray no resahina dia zavatra tsy marina izany. Ny mpanoratra grika tranainy izay nitady tahirin-kevitra momba an' i Iràna dia nifampiraharaha tamina magy efa nanana kolontsaina grika sy efa nonina tany Mesôpôtamia, tany Kaldea, tany Anatôlia, sns ka efa nandray fomba amam-panao avy any ivelan' i Iràna. Noho izany ny filalaovana ody sy ny fanandroana izay tsy tian' i Zaratostra sy nozoniny tao amin' ny tononkira (gata) nataony dia noheverin' ny Grika sy ny Tandrefana rehetra ho fahaizana manokan' ny Mazdeana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]