Sagartiana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sagartiana, Apadana, Persepôlisy

Ny Sagartiana dia vahoaka mpifindrafindra monina tao amin' ny Empira Persiana Akemenida, tsy fantatra mazava ny fiaviany, toa nipetraka any amin' ny faritra atsinanana amin' ny Lembalemba Iraniana, angamba any atsimon' i Elbrus na any amin' ny faritra Yazd any Iràna.

Ny filazana tranainy indrindra momba an' io vahoaka io dia avy amin' i Herôdôtôsy, tamin' ny taonjato faha-5 talohan' i J.K.

Niray saina tamin' i Kirôsy II Lehibe ny Sagartiana mba hampanaiky ny Mediana (na Meda), ka nandray anjara tamin' ny fanorenana ny Empira Persiana Akemenida izay tsy nivadika taminy mandra-pahafatin' i Kambisesy I, zanak' i Kirôsy. Nikomy tamin' ny tarana-mpanjaka Akemenida izy ireo taorian' izay, ka resin' i Takhmaspâda, jeneraly nibaiko ny tafik' i Dariôsy I, ary novonoina ho faty i Tritantaechmes mpitarika azy ireo.

Ny filazana azy ireo ho vahoakan' io empira io ao amin' ny soratra mpanjaka tao Persepôlisy, ary koa ny filazana azy ireo ho delegasiôna teo amin' ny tohatry ny Apadana tany Persepôlisy sahala amin' ny satrapia sasany tao amin' ilay empira dia toa manaiky ny hevitra milaza an' io vahoaka io ho firenena amin' ny zony feno tamin' izany fotoana izany.

Ampahatsiahivin' i Pierre Briant, mpahay tantara, anefa, fa miovaova be ny lisitry ny vahoaka nandrafitra ilay empira ao amin' ny sora-tanana mpanjaka sy ny fanehoana azy ireo an-sary, ary toa tsy mifanandrify amin' ny fanisana na amin' ny fitanisana an-tsoratra mazava tsara na voalamina, fa toa avy amin' ny hany sitrapon' ny mpanjaka tamin' ny fotoana nanjakany. Toa nifandray ara-pitantanana tamin' ny satrapian' i Drangiana teo ambany fitarihan' i Kserksesy I io vahoaka io. Ny filazana farany momba ny Sagartiana dia tamin' ny andron' ny fanafihan' i Kserksesy an' i Gresy, tsy misy firesahana momba azy ireo ny fitantarana momba ny fandresen' i Aleksandra Lehibe. Na izany aza, i Ptôlemeôsy, astrônôma grika sady mpahay jeôgrafia, dia nilaza ny fisian' ny hadilalan-tendrombohitra any Zagros, any Media, izay mbola antsoina hoe Vavahadin' ny Sagartiana tamin' ny androny (taonjato faha-2).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]