Hankany amin'ny vontoatiny

Vatosokay

Avy amin'i Wikipedia
Vatosokay miseho ivelan' ny tany ao amin' ny tahirin-javaboary ao Torcal de Antequera de Málaga, any Espaina.

Ny vatosokay dia vaton-dilatra, toy ny vatovary (na vatodidy) na vatosanga (na zipsa), mora levona anaty rano, izay ahitana indrindra ny karbônata-na kalsiôma CaCO3, fa koa ny karbônata-na maneziôma MgCO3. Ireo vato misy karibônetra ireo dia manan-danja lehibe ara-jeôlôjia sy ara-toekarena.

Niforona amin'ny tontolo an-dranomasina marivo ny ankamaroan'ny vatosokay. Hita amin'ny faritra midadasika amin'ny tany ny vatosokay, ary matetika no azon' ny ranon' orana levonina amin' ny ampahany kelikely ka mandoaka ny tanim-batosokay. Hita amin' ny toerana misy vatosokay ny ankamaroan' ny lava-bato.

Ampiasaina amin' ny fanamboaran-javatra maro ny vatosokay: atao fitaovana fanorenana, singa tena ilaina amin'ny fanamboarana simenitra, taharo ao amin'ny lafika fototra amin' ny fanamboaran-dalana, anamboarana loko fotsy, ampiasaina amin'ny fanamboarana feta famotsia-nify, akora simika amin'ny famokarana sokay sns. Ny vatosokay no misy ny 30%n' ny tahirin-tsolika eran-tany.

Matetika misy fôsily ny vatosokay, ary ahazoana fahalalana momba ny tontolo fahiny sy ny fivoaran'ny fiainana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]