Vatovandana

Avy amin'i Wikipedia
Vatovandana

Ny vatovandana na marbra, amin' ny jeôlôjia, dia vato vokatry ny fiofohan' ny vatosokay sady ahitana indrindra kristaly kalsitika. Vato mafy sy mavesatra ny marbra. Rehefa tratran' ny rivotra mando sy asidra izy dia mirodana haingana ny nofony ivelany, saingy mahatohitra fahasimbana izy amin' ny toerana maina sy tsy azon' orana. Ny karazana vatovandana hafa dia misy loto isan-karazany, izay miteraka soratsoratra sy loko isan-karazany, ka ny sasany amin' ireny marbra ireny dia tena be mpitady, ampiasaina amin' ny fanorenana sy amin' ny fanaingoana ny aty trano ary amin' ny famoronana haingo isan-karazany.

Sarivongan' i Abraham Lincoln (1920) vita amin' ny vatovandana, ao amin' ny Lincoln Memorial (Etazonia).

Amin' ny taozavatra (fanorenana, maritrano) na zavakanto (sarivongana sy sary sokitra), ny teny hoe marbra dia mety manondro izay vato sarotra tapahina sy afaka maka tarehy malama tsara.