Sarivongana

Avy amin'i Wikipedia
Ny Statue of Unity (2018), sarivongana avo indrindra eran-tany, any Gujarat (India).

Ny sarivongana dia zavakanto maneho sary azon' ny maso jerena sy azon' ny tanana tsapaina, amin' ny habe telo, sokirina na volavolaina, mijoro, izay mety maneho sarin' olona na biby na hafa, atao amin' ny zavatra mafy sy maharitra toy ny vato, ny hazo, ny sokay, ny tany, ny metaly, ny plastika, sns. Ny sarivongana mahazatra dia mitovy habe amin' ny tena izy na manakaiky ny habe tena izy; nefa misy ny sary sokitra maneho olona na biby amin' ny endriny feno nefa kely azo bataina sy entina, sy ny manana habe mihoatra ny tena izy.

Vokarina ao amin' ny faritra maro izay samy manana ny kolontsaina ny sarivongana manomboka tamin' ny vanimpotoana talohan' ny tantara ka hatramin' izao; ny sarivongana tranainy indrindra fantatra dia efa ho 30 000 taona lasa izay. Ny sarivongana dia maneho olona sy biby maro samihafa, tena izy na araka ny fedrà. Sarivongana maro no apetraka eny amin' ny toerana ho an' ny daholobe amin' ny maha zavakanto ho an' ny daholobe azy. Ny sarivongana avo indrindra eran-tany, ny Statue of Unity, dia 182 metatra ny haavony ary eo akaikin' ny tohodranon' i Narmada any Gujarat, India.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  • Sary hosodoko
  • Sarisokitra