Dilatra

Avy amin'i Wikipedia
Ny riam-be Hukou eo afovoan' i Huang He (na Ony Mavo, ony any amin' ny tapany avaratra-atsinanana amin' i Sina. Lasa miloko mena ny rano noho ny dilatra be loatra entiny.

Ny dilatra dia fitambarana poti-javatra sy vovo-tany mitsingevana ao anaty rano, na eny amin' ny rivotra na ao anaty ranomandry, izay miafara amin' ny fiangonany any amin' ny toerana ambany noho ny herin' ny sinton' ny tany, matetika manome sosona mifandimby. Ny dilatra dia miavaka noho ny toetrany (ny fangarony ara-pizika sy ara-tsimia), ny fiaviany, ny haben' ny poti-javatra mamorona azy, ny karazan-javamananaina ao aminy ary ny mety hisian' ny poizina ao aminy. Ny fihamafisan' ny dilatra no iandohan' ny fiforonan' ny soson-dilatra manjary vato misy rafitra samihafa.

Miforona amin' ny hafanana ambany ety ambonin' ny tany, na amin' ny alalan' ny fiangonan' ny vokatry ny kaoka (ohatra ny fasika, ny tanimanga), na ny rotsa-drano (ohatra ny evapôrita), na amin' ny fianfgonan' ny potika mineraly avy amin' ny biby na zavamaniry maty any amin' ny fanambanin' ny ranomasimbe (ohatra ny tsaoka, ny diatômita), na amin' ny fomba mangatsiaka hafa.