Huang He

Avy amin'i Wikipedia
Ny ony Huang He

I Huang He dia ony any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Sina, izay manana halava mirefy 5 464 km, izy no ony laharana faharoa ao amin' io firenena io amin' ny resaka halava, aorian' ny ony Yangzi Jiang. Mahatratra 752 443 km2 ny sahan-dranon' ity ony ity izay ao amin' ny faritra manana toetany somary karankaina amin' ny ampahany ka mahatonga ny habetsahan' ny fikorianany ho antonony rehefa tonga any an-dranomasina.

Sarintany maneho an' i Huang He

Mipoitra ao amin' ny tendrombohitra Kunlun, ao amin' ny faritanin' i  Qinghai, any amin' ny haambo 4 500 m any ho any, i Huang He. Mikoriana miatsinanana aloha ilay ony, mamakivaky lohasaha lalina ao amin' ny Lembalemban' i  Tibeta, avy eo mianavaratra-atsinanana ao amin' ny tanànan' i Lanzhou, ao amin' ny faritanin' i Gansu, ka avy ao izy vao mikoriana anjato kilômetatra maro mamakivaky ny taniefitr' i  Ordos. Manohy ny lalany miatsinanana i Huang He alohan' ny hiodinany mianatsimo, mamakivaky haingana lohasaha be antsanga, eo anelanelan' ny faritanin' i Shaanxi sy ny faritanin' i Shanxi. Mitondra antsanga miloko mavo izy ao amin' io faritra io, ka izany no iantsoana azy hoe "Ony Mavo". Mikoriana miatsinanana amin' izay ao amin' ny tapany avaratry ny faritanin' i Henan i Huang He mandra-pahatongany any amin' ireo tany lemaka ao amin' ny tapany avaratr' i Sina.

Ao amin' ny tanànan' i Kaifeng dia mamakivaky tany lemaka ity ony ity ka mihalefy ny halakin' ny fikorianany sady lasa mibilobioka endrika hatrany amin' ny vinanihefaka ivarinany any amin' ny Ranomasina Bohai,  ao amin' ny Ranomasina Mavo, izy.

Nanamboaran' ny Sinoa fefiloha ity ony ity hatramin' ny taonjato maro mba hiarovana amin' ny tondra-drano aterany. Nahatonga ny fahatsentseman' ny lalan' ilay ony sy ny fiakaran' ny haavony ireo fefiloha ireo. Raha tsy nisy an' ireo fefiloha ireo anefa dia ho tototry ny antsanga ny tany lemaka manamorona an' ilay ony. Noho izany, amin' ny toerana maro ao amin' ny faritra ambany na atsinanana, ny fikorian' ilay ony dia mihoatra ny 10 m ambonin' ny tany lemaka manodidina, ary amin' ny fotoana mahabe azy dia misy ny tondra-drano manimba zavatra. Mitaky fampitomboana ny haavon' ny fefiloha izany. Ao amin' ny faritra atsinanana dia matetika miova lalana i Huang He. Tamin' ny taonjato faha-19 dia nivarina any amin' ny Ranomasina Mavo, ao atsimon' ireo tendrombohitra amin' ny faritanin' i Shandong izy.

Eo anelanelan' ny 1 500 m3/s sy 2 571 m3/s ny fikorian' i Huang He ao amin' ny toerana ivarinany any an-dranomasina, ka ambany izany raha mitaha amin' ny halehiben' ity ony ity. Avo folo heny anefa izany amin' ny fahavaratra.

Nitana anjara toerana lehibe ny ony Huang He teo amin' ny tantaran' i Sina satria ny sivilizasiona sinoa dia teraka tao amin' ny fihaonan' ity ony ity sy i Wei He sakelidranony, avy eo niitatra manaraka ny andavany. Mahery vaika ny fiakaran' ity ony ity izay mitondra antsanga betsaka avy eny amin' ny Lembalemba Huangtu, izany no namolavola ny endriky ny Lemaka Lehiben' i Sina Avaratra. Matetika loatra sady mandravarava ny tondra-drano ateraky ny ony Huang He. Tamin' ny taona 1931, teo anelanelan' ny volana Jolay sy Novambra, ohatra, no nitrangan' ny todra-drano izay isan' ireo mahery vaika indrindra, nahafaty olona iray tapitrisa any ho any noho ny mosary sy ny valan' aretina vokatr' izany.