Simenitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny simenitra dia karazan-tsokay mafy ohatra ny vato rehefa afangaro amin' ny fasika miaraka amin' ny rano, izay ampiasaina hanakambanana na handalorana vato na biriky tany na biriky simenitra, amin' ny fanamboaran-trano, tetezana, tohodrano, sy ny zavatra mitovitovy amin' ireo na mifandray amin' ireo. Tamin' ny taonjato faha-19 no nahitana sy nampiasana ny simenitra. Ny sokay sy ny taniditra no taharo voalohany nanamboarana ny simenitra, fa niitatra izany taty aoriana ka tafiditra ao koa ny fasika sy ny poti-bato.