Sokay (akora)

Avy amin'i Wikipedia
Vovoka sokay

Ny sokay dia akora mivaingana, karazam-bato malemy mora misaratsaraka, fotsifotsy, azo anaovana feta hatao fandalorana na handitiana ny vato arafitra.

Ny sokay dia azo amin' ny alalan' ny fandoroana ny vatosokay sy ny endrika hafan' ny kariônetra-na kalsiôma. Ny sokay madio dia vita amin' ny ôksida-na kalsiôma (CaO). Ny vokatra alefa eny amin' ny tsena amin' ny ankapobeny dia misy loto toy ny ôksida-na viraty, vy, silisiôma ary maneziôma. Ny sokay karakaraina amin' ny rano dia mamoaka hafanana be dia be ary miova ho hidirôksida-na kalsiôma, amidy amin' ny endrika vovoka fotsy, atao ahoe sokay maty.

Toeram-pitrandrahana vatosokay any Brønnøy, Nôrvezy

Ny sokay dia ampiasaina amin' ny fanomanana ny simenitra sy feta, ary koa ny hanalefahaba na hanalana ny asidra amin' ny tany fambolena. Izy io koa dia ampiasaina amin' ny fanamboarana taratasy, ny fitaratra, ny fandokoana fotsy (ronon-tsokay), amin' ny fikarakarana hodi-biby, ny fanadiovana siramamy ary fanalefahana ny rano.

Ny ranon-tsokay, izay tsora alkalinin' ny sokay maty anaty rano, dia ampiasaina indrindra amin' ny fitsaboana ho odiasidra mba hanafoanana ny fanapoizinana sy amin' ny fitsaboana ny fahamaizana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]