Ôksida

Avy amin'i Wikipedia

Ny ôksida dia fitambaran' ny ôksizenina misy singa iray latsaka elektrônegative noho izy, izany hoe ny singa simika rehetra afa-tsy ny fliôro sy ny tenany. Ny teny hoe "ôksida" koa dia manondro ny iôna ôksida O2−. Ny ôksida misy ôksizenina ambany na ambony kokoa noho ny ôksida mahazatra dia antsoina hoe sobôksida na perôksida.

Ny ampahany be amin' ny sosony ambony amin' ny tany dia voaforona amin' ny ôksida. Na dia ireo singa heverina ho madio aza dia matetika mamorona ôksida ety ivelany. Ohatra, ny takelaka viraty (Al) dia mamorona sosona ôksida-na viraty na alominina (Al2O3) manify izay miaro ilay takelaka amin' ny fiforonan' ny ôksida bebe kokoa. Ny herefesina dia vokatry ny fiforonan' ny ôksida.