Sokaidîtra

Avy amin'i Wikipedia
Sakaidîtra

Ny sokaidîtra dia vaton-dilatra, fifangaroan' ny kalsita (CaCO3) sy ny tanimanga amin' ny fatra mitovitovy, eo anelanelan' ny 35 % sy 65 % ​​(fomba fanoratra hafa: (50 ± 15) %) ary fasika, omena anarana arakaraka ny singa betsaka indrindra ao; ohatra, azo atao ny miresaka momba ny sokaidîtra be tanimanga, na sokaidîtra be tanibetro na sokaidîtra be vatosokay. Raha mihoatra ny 65 % ny vatosokay dia vatosokay be tanimanga no azo, fa ny raha ambanin' ny 35 % kosa ny vatosokay dia tanimanga be vatosokay no azo.

Sakaidîtra

Ny sokaidîtra be vatosokay izay hita any amin' ny farihy dia foronin' ny akoran-tsifotra, atambatry ny fotaka. Ny sokaidîtra miforona anaty farihy dia ampiasaina amin' ny fanamboarana ny simenitra; ny sokaidîtra be tanimanga sy be tsaoka dia zezika sarobidy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]