Tany mena

Avy amin'i Wikipedia
Lalana tany mena ao amin' ny Faritanin' i Misiones any amin' ny tapany avaratra amin' ni Arzantina.

Ny tany mena na tanimena tany menamena volo na manja, tsy mamokatra, noho ny fisian' ny hidrôksida-na viraty sy hidrôksida-na vy, izay fahita any amin' ny faritra trôpikaly. Ny tanimena dia hita indrindra amin' ny tontolo anelanelan' ny zana-pehintany. Mandrakotra ny 33 % amin' ny kôntinenta rehetra izany. Ny tany mena dia akora mafy ampiasaina amin' ny fanorenana trano any amin' ny faritra mafana.

Trano vita amin' ny tany mena

Ny tany mena dia nofon-tany maina, nentin-drano ny tsiro tokony ho ao aminy, tsy ampy silisy sy singa tokony hahalonaka ny tany (kalsiôma, maneziôma, pôtasiôma, sôdiôma). Ny zavamaniry toy ny alam-pehibe dia fahita be dia be amin' o karazan-tany io.

Ny vy herefesina dia manome loko ny tany mena. Ny fisian' ny alominina Al2O3 dia mahatonga ny tany mena sasany antsoina hoe baoksita ho akoram-biraty lehibe.

Toerana misy tahirin-drano ambanin' ny tany lehibe ihany koa ny tany mena, izy mitroka ny 50 % amin' ny korian-drano amin' ny ankapobeny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]