Silisy

Avy amin'i Wikipedia
Dongom-pasika foronin-tsilisy

Ny silisy na diôksida-na silisiôma (SiO2) izay hita amin' ny firafitry ny mineraly maro. Ny silisy no tena taharo fototra ao amin’ ny fasika. Miseho amin' ny endrika kristaly isan-karazany na tsy misy endrika jeômetrika ny silisy, ary mitambatra amin' ny ôksida hafa (Al2O3, FeO, MgO, CaO, Na2O, K2O, sns.) ao amin' ny silikata. Ny silikata no singa fototra amin' ny sosona ambony amin’ ny Tany. Ny silisy dia tena misy betsaka ao amin' ny natiora, amin' ny endrika vatokaranana na koartsa sy kalsdoana ary diatômita.

Rehefa ambonin' ny fetra sasany ny fatra voatelina amin' ny vovoka silisy sy ny poti-tsilisy bitika dia mampidi-doza. Izy no fototry ny aretina silikôzy sy ny aretina maro hafa.