Diatômita

Avy amin'i Wikipedia
Vaingana diatômita
Vovoka diatômita

Ny diatômita dia vato misy  silisy tena maivana (ny hakitrokany dia eo anelanelan' ny 0,2 ka hatramin' ny 0,3, izany hoe 200 hatramin' ny 300 kg/m3), be hirika be (afaka miaty rano 50 hatramin' ny 70 %), mora vaky ary miovaova ny lokony mazava eo anelanelan’ ny volondavenona matsatso sy maitso manga na fotsy koa aza, arakaraka ny fahasimbany sy ny loto ao anatiny (zavatra avy amin’ ny zavamananaina, tanimanga, sns) ary arakaraka ny fatran’ ny hamandoana. Izy io dia miforona manontolo na saika manontolo amin' ny alalan’ny "taolana" avy amin’ ny diatômea.

Ny diatômea dia lomotra tokan-tsela mivelona any amin' ny ranomasina na farihy, dia voahodidin' ny fonony vita amin’ ny silisy, izay mety hitarika amin' ny fiforonan' ny vato ny fiangonany any amin’ ny fanambanin’ ny ranomasina na farihy.