Sôdiôma
Ny sôdiôma na natriôma dia singa simika manana laharana atômika 11, nampitondraina ny eva Na (avy amin' ny teny latinina hoe natrium). Izy io dia anisan' ny vondrona voalohany ao amin' ny tabilao periôdika ary indrindraindrindra amin' ny metaly alkalinina. Eto amin' ny Tany sy ao amin' ny planeta telorika hafa (Merkiora sy Venosy ary Marsa) dia matetika mifandray amin' ny singa hafa ao anatin' ny akora mineraly maro ny sôdiôma. Be dia be ao anaty ranon-dranomasina izy io (misy 10,8 g/kg eo ho eo), amin' ny endrika iôna botsoaka (iôna mandehandeha). Klôriora-na sôdiôma ny sira fanao sakafo, izay azo mivantana na tsy mivantana amin' ny ranon-dranomasina.
Amin' ny fepetra manara-penitry ny hafanana sy ny tsindry, ny sôdiôma tsotra dia metaly malemy sy milokom-bolafotsy. Mora miota sy mandray ôksida (harafesina) haingana rehefa mifandray amin' ny rivotra ary miota mahery vaika raha mikasika rano.