Aller au contenu

Fiota

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiota dia fiovana eo amin' ny fifamatoran' ny samy atôma na ao anaty atôma, ka ny voalohany dia atao hoe fiota simika, fa ny faharoa kosa no atao hoe fiota nokleary. Fiovan' ny matiera mandritra ny fanovana ny karazana ara-tsimia (atôma, môlekiola, iôna na radikaly) mandrafitra ilay matiera ny fiota simika. Ny fiota nokleary dia fiovan' ny vihin' atôma iray na maromaro mba hanomezana ny vihy manana lanja na fahana samihafa. Ny fiota simika dia tsy mahakasika afa-tsy ny elektrôna na ny fifamatorana misy eo amin' ny atôma, izany hoe mitahiry ny singa simika, fa ny fiota nokleary kosa dia manova ny nokleida iray ho hafa.