Epifania

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Fitsaohan'ny Magy, nataon'i Matthias Stom, taona 1600-1650.

Ny Epifania dia fety kristiana ankalazana ny Mesia izay avy sy tonga nofo eto an-tany sady notsidihin'ireo Magy. Amin'ny 6 Janoary no anatanterahana io fety io[1]. Ny Ortodoksa dia mankalaza ny Epifania amin'ny 6 Janoary ary ny Katolika amin'ny Alahady manakaiky an'izany[2]. Na any Andrefana na any Atsinanana dia ahatsiarovana fahagagana nataon'i Jesosy tao Kana araka ny Evanjelin'i Joany (Joa. 2.1-11) izay nanovany ny rano ho divay[2].

Ao amin'ny Fiangonana tandrefana dia ahatsiarovana ny Fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ao amin'ny maha olombelona an'i Jesosy ny Epifania, izay tandindomin'ny fahatongavan'ireo Magy telolahy araka ny Evanjelin'i Matio (Mat. 2.1-12). Hatramin'ny taona 1971 dia azo ankalazaina amin'ny Alahady faharoa aorian'ny Noely (izany hoe ny Alahady voalohany manaraka ny 1 Janoary) ny Epifannia ao amin'ireo firenena tsy manao io 6 Janoary io ho andro tsy iasana[3]. Ao amin'ny Fiangonana tatsinanana dia ankalazana ny fanaovam-batisa an'i Jososy ny Epifania ka mifanojo amin'ny fankalazana ny Fahaterahan'i Jesosy[2].

Ny amin'ny teny hoe Epifania[hanova | hanova ny fango]

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe Epifania dia fanagasiana ny teny latina hoe Epiphania izay avy amin'ny teny grika hoe Ἐπιφάνεια / Epipháneia izay midika hoe "fisehoana" "fiharihariana"[4]. Avy amin'ny matoanteny hoe φαίνω / phaínō izay midika hoe "miseho" "miharihary" io teny io. Ny mpamari-toetra avy amin'io, dia ny hoe epiphanês dia midika hoe "mamirapiratra".

Azo antsoina hoe τα Θεοφάνια / τα Theopháneia, izay midika hoe "fisehoan'Andriamanitra" (gasina hoe: Teofania), na ny hoe η Ημέρα των Φώτων / hē Hēméra tōn Phṓtōn, izay midika hoe "ny Andron'ny Fahazavana", na ny hoe τα Φώτα / ta Phóta, "ny Fahazavana" koa ny teny hoe Epifania[5].

Fampiasana ilay teny tao amin'ny soratra grika[hanova | hanova ny fango]

Efa tany alohan'ny nisisnan'ny fivavahana kristiana ny fampiasana ny teny hoe epiphaneia ka ireo andriamanitra roa ambin'ny folo tao amin'ny tendrombohitra Olimpio izay ninoana araka ny lovantsofina fa niseho tamin'ny olombelona no notondroina amin'izany, ka ilay andriamanitra Zeosy no lohalaharana. Nisy koa ireo mpanjaka nitondra ny anarana hoe Epifanesy (grika: Epiphanês) tahaka an'i Antiokosy IV Epifanesy.

Ao amin'ny fiteny grika klasika dia ampiasaina hilazana ny fisehoan'ny mazava atsinanana, ny fisenoan'ny fahavalo amin'ny fotoanan'ny ady, nefa ampiasaina manokana hilazana ny fisehoan'ny andriamanitra iray amin'ny mpivavaka aminy (ka azo antsoina hoe teofania). Ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika (Septoajinta) dia ampiasaina io teny io hilazana ny fisehoan'ny Andriamanitr'i Israely, araka ny hita ao amin'ny Boky faharoan'ny Makabeo (2Maka. 15.27). Ao amin'ny Testamenta Vaovao amin'ny teny grika dia miseho indroa io teny io ao amin'ny Epistily faharoa ho an'i Timoty (2Tim. 1.10) mba hampahatsiahivan'ny mpanoratra ny fahaterahan'i Kristy na ny ny fisehoany taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty, ary indimy mba hampahatsiahivana ny Fiaviany fanindroany.

Tantaran'ny Epifania[hanova | hanova ny fango]

Tao Roma jentilisa[hanova | hanova ny fango]

Fetin'ny fahazavana[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny voalohany dia tao anatin'ny fari-potoan'ny Noely ny Epifania ary ny heviny dia avy amin'ny fety jentilisa ankalazana ny Fahazavana. Ny Noely mantsy dia fari-potoana izay mahatratra ny fara tampony amin'ny fotoana mampitovy ny halavan'ny andro sy ny alina, amin'ny 22 Desambra izany. Ny alina mifanandrify amin'io, izay lava indrindra, dia manambara ny fanombohan'ny fihalavan'ny andro sy ny fahaterahan'ny Fahazavana indray izay fiandohan'ny zavatra rehetra.

Niitatra nankaty amin'ny 25 Desambra izany fankalazana izany nandritra ny 12 andro sy 12 alina. Tapitra amin'ny 6 Janoary izany fari-potoana izany. Amin'io fotoana io no anombohan'ny fihalavan'ny andro ho tsapan'ny olona ary io daty io no nosafidi'ny Rain'ny Fiangonana atao hoe Epifaniosy avy any Salamy, ao amin'ny asa sorany mitondra ny lohateny hoe Panarion, ho daty nahaterahan'i Jesoa Kristy, mba hanoherana ny daty hafa mifaninana amin'io, izay natolotry ny sekta gnostikan'ireo Alogoi[6]. Nankalazaina noho izany ny Epifania, izay fihariharian'ny Fahazavana. Tsara ho marihina koa fa amin'io andro io (araka ny tetiandro joliana fa tsy gregoriana) no nankalazan'ny Romana ny fetin'ireo andriamanitra roa ambin'ny folon'ny tendrombohitra Olimpo.

Fetin'ny Satornaly[hanova | hanova ny fango]

Ny datin'ny Epifania dia mifandraika amin'ny fety jentilisa tany ampiandohany: tamin'ny Andro Taloha, ny Romana dia nankalaza ny Satornaly maharitra fito andro izay andravana na akana tahaka amin'ny fomba feno tsikera ny ambaratongam-piarahamonina sy ny filaminan'ny zavatra rehetra. Amin'izany, ohatra, dia manao antsapaka ho an'ny voaheloka ho faty ny miaramila ka izay voafidy no atao hoe "mpanjaka" amin'io fotoam-pifaliana io, nefa rehefa vita ny fetin'ny Satornaly dia ampiharina amin'ilay voaheloka amin'izay ny didy manameloka azy[7]; fidina amin'ireo miaramila zandriny ny ho mpanjaka izay afaka mibaiko ny amin'ny zavatra tiany ho tanterahina[8]; azo ovana ny anjara asan'ny olona tsirairay mandritra ny Satornaly ka avahina ny "tompo" sy ny "mpanompo" amin'ny alalan'ny antsapaka na fomba hafa.

Niova ho fety kristiana[hanova | hanova ny fango]

Hatramin'ny taonjato faha-4 dia ny Epifania no fety lehibe sady tokan'ny Kristiana ankalazany ny fihariharian'i Kristy eto amin'izao tontolo izao. Izany fisehoana na fiharihariana izany dia hita tamin'ny fiavian'ny Magy sy ny tantara manaraka izany, dia ny fahaterahan'ny Mpamonjy, ny feon'ny Ray ("inty no Zanako malalako izay sitrako ...") sy ny fanatrehan'ilay tahaka ny domohina (Fanahy Masina) tamin'ny fanaovam-batisa an'i Jesosy tao amin'ny ony Jordana (na Joridany), ny fahagagana tao Kana, sns. Misy Rain'ny Fiangonana sahala amin'i Joany Krisostoma izay nandraikitra ny fomba fanao hahatsiarovana amin'ny andro iray ireo zava-nitranga telo amin'ny fetin'ny Teofania: ny fitsaohana nataon'ireo Magy, ny fanaovam-batisa (na batemy) an'i Jesosy tao Jordana izay niseho 30 taona taty aoriana, ary ny fampakaram-bady tao Kana izay niseho 31 taona naty aoriana. Nanomboka tamin'ny Andro Antenantenany dia nakamban'ny litorjia kristiana ireo zavatra telo ireo[9] nefa ny finoan'ny vahoaka sy ny mpanao zavakanto dia nanome tombony ny fitsaohan'ny Magy.

Hatramin'ny nampidirana ny fetin'ny Noely izay tanterahina amin'ny 25 Desambra dia manana heviny manokana ny Epifania arakaraka ny fiangonana sy ny karazam-kolontsaina[10].

Hatramin'ny taonjato faha-19 no ho mankaty koa dia atao hoe "Adron'ireo mpanjaka" ny Epifania izay mampahatsiahy ny fiavian'ny Magy sy ny fitsaohana noataony[11].

Hevitry ny Epifania ho an'ny fiangonana kristiana[hanova | hanova ny fango]

Ny Teofania (fanaovam-batisa an'i Jesosy) araka ny sarimasina rosiana ao amin'ny Monasteran'i Kirillo-Belozersky, 1497

Ny Epifania kristiana dia ankalazana ny fisehoana imasom-bahoakan'ny Zanak'Andriamanitra tonga nofo teto amin'izao tontolo izao, tamin'ny endrika zazakely nateraka ao amin'ny fotoana ara-tantara (fa tsy ara-pedrà toy ny an'ireo andriamanitra greka), teo anivon'ny vahoaka jiosy (ao amin'ny taranak'i Davida)[12].

Ao amin'ny Fiangonana latina[hanova | hanova ny fango]

Fety fahefatra [13] amin'ireo dimy lehibe indrindra ao amin'ny taom-piangonana katolika ny Epifania. Ankalazaina ny famangiana sy ny fitsaohana an'i Jesosy zazakely nataon'ireo Magy, araka ny tantaraina ao amin'ny Evanjelin'i matio. Na dia tsy manambara ny isany sy ny anarany aza ny Baiboly ka tsy miresaka afa-tsy ny amin'ny olon-kendry avy any Atsinanana, ny lovantsofina dia nanao azy ireo hoe "Mpanjaka Magy telo" sady nanome anarana azy hoe Gaspara sy Melkiora ary Baltazara.

Any amin'ny firenena sasany ny fankalazana litorjikan'ny Epifania dia ahemotra Alahady araka ny fanapahan-kevitry ny papa. Natao izany mba hahafahan'ny olona manao ny fankalazana raha tsy maintsy hiasa izy amin'ny 6 Janoary araka ny lalàm-panjakana raha andro fiasana io 6 Janoary io. Any Frantsa sy any Belzika, ohatra, dia mankalaza io fety io amin'ny Alahady manaraka ny Noely. Ny ao Espaina kosa, izay tena mankalaza ny Epifania, dia amin'io 6 Janoary io no anaovany izany.

Any Frantsa dia izany no natao hatramin'ny taona 1802, araka ny fitsipika natao tamin'ny didin'ny kardinaly Caprara[3], solontenan'ny papa Pio VII.

Ao amin'ireo Fiangonana bizantina[hanova | hanova ny fango]

Fanipazana hazofijaliana

Ao amin'ny Fiangonana bizantina, ny Epifania dia fety fahatsiarovana ny fanaovam-batisa (na batemy) an'i Kristy tao amin'ny ony Jordana, ny fidinan'ny Zanak'Andriamanitra teo anivon'ny zavaboariny, ny fahatalanjonan'izany zavaboary izany izay mahafantatra ny Mpamorona azy (niverin-dalana ny ony Jordana) ary ny fisehoan'ny Trinite masina (ny feon'ny Ray sy ny voromailala izay manome voninahitra ny Zanaka).

Amin'ny firenena manaraka fomba bizantina sasany, indrindra ny any Grisia, Bolgaria, Romania, Serbia, Okraina ary Rosia, dia manipy vokovoko any anaty renirano na any an-dranimasina ny eveka ary ny tanora mifaninana miroboka ao anatin'io rano io mba haka ilay vokovoko na dia mangatsiaka dia mangatsiaka aza ny andro.

Amin'ny ankapobeny dia atao hoe Teophania ny Epifania ao amin'ireo firenena ireo ary omanina amin'ny fifadian-kanina amin'ny 5 Janoary.

Ao Jerosalema, ao amin'ny tendrombohitra Athos, ao Rosia, ao Serbia ary ao Jeorjia dia ankalazaina amin'ny 6 Janoary ny Epifania izay manaraka ny tetiandro joliana ka mifanandrify amin'ny 19 Janoary amin'ny tetiandro gregoriana amin'izao fotoana izao.

Ao amin'ny Fiangonana armeniana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny Fiangonana armeniana, ny fetin'ny Epifania dia iray amin'ireo fety lehibe ao amin'ny taona satria tsy amin'ny 25 Desambra no ankalazana ny fahaterahan'i Jesosy, fa ny 6 Janoary.

mifanandrify amin'ny fanaon'ireo fiangonana kristiana tany am-piandohana (talohan'ny fiovan'ny Fabnjakana romana ho amin'ny kristianisma) sy amin'ny fanaon'ny fianakaviana tamin'izany fotoana izany, izay mamatraka fa tsy tonga zanaky ny rainy ny ankizy iray raha tsy amin'ny andro anehoana azy aminy sy aneken'ny rainy azy, ary amin'io andro io dia anehoana fankasitrahana koa ny renin'ilay zaza neken-drainy ho zanaka sady manaiky ny sitrapony.

Io fanaovam-batisa an'i Jesosy tao Jordana io no fanehoana ny Zanaka amin'ny Ray, izany koa no manambara ny faneken'i Joesosy ny sitrapon'Andriamanitra ary io koa no daty anambaran'ny Ray ny tenany amin'ny Zanaka. misy heviny ara-teolojia kokoa ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy ao amin'ny Fiangonana armeniana raha mitaha amin'ny fankalazana izany ao amin'ny Fiangonana katolika romana, satria io no daty araka ny lovantsofina nahndraisan'ny Ray ny fanambaràna ny asam-poanirahana hanao faminaniana: izay ankalazaina dia ny fahaterahan'i "Kristy mapamonjy" sy ny fisehoan'Andriamanitra (Teofania), fa tsy ny fahaterahan'i Jesosy zazakely, na dia mifandray mivantana amin'ny fahaterahany aza izany fankalazana izany. manao fitsofan-drano amin'ny rano ny Fiangonana armeniana sahala amin'ny fanaon'ny Fiangonana bizantina.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Dictionnaire universel françois et latin, dit de Trévoux, 6e édition (1771), notice « Épiphanie », p. 793, tsanganana ankavanana, andalana faha-6. Vakio koa ao amin'ny Wikisource.
  2. 2,0 2,1 et 2,2 "Epiphanie" - Microsoft Encarta 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation.
  3. 3,0 et 3,1 Nicolas Senèze, "Pourquoi y a-t-il plusieurs dates pour l'Epiphanie" (tahiry) ao amin'ny La Croix, 6 janvier 2016.
  4. "Epiphany"- Online Etymological Dictionary. Etymonline.com.
  5. Schaff, Philip. https://outreachjudaism.org/coping-with-christmas/. Christian Classics Etheral Library.
  6. Gary Forsythe, Time in Roman Religion: One Thousand Years of Religious History, Routledge, 2012, p. 119-120
  7. "Epiphanie" Joyeuse fête (tahiry).
  8. "Epiphanie" in Tête à modeler (tahiry)
  9. Honoré d'Autun, Gemma animae, livre III chap. 18.
  10. Béatrice Bakhouche, Alain Moreau et Jean-Claude Turpin, Les astres et les mythes. La description du ciel, Publications de la recherche Université Paul Valéry, 1996, p. 132
  11. Ambroise Guillois, Les Saints Évangiles des Dimanches et principales fêtes de l'année, Le Mans, 1840 (vakio eto [tahiry]),
  12. http://www.eglise.catholique.fr/glossaire/epiphanie/ [tahiry]
  13. « Messe de l'Épiphanie à Rome » [tahiry], tao amin'ny KTO, 6 Janoary 2013