Fahatongavana ho nofo (kristianisma)
Ny fahatongavana ho nofo dia foto-pampianarana kristiana izay ilazana fa ny Tenin' Andriamanitra (Logos) dia tonga nofo tao amin' i Jesoa Kristy. Izany fampianarana izany dia ambara ao amin' ny fitarihan-tenin' ny Evanjelin' i Joany (Joa. 1.14). Izany no ivon' ny kristôlôjia.
Amin' ny Ktistiana trinitariana, ny fahatongavana ho nofo dia fikambanan' ny sobstansan' Andriamanitra amin' ny natioran' olombelona tao amin' ny persônan' i Jesoa Kristy. Sady misy toetr' Andriamanitra no misy toetr' olombelona (afa-tsy ny fahotana) i Jesoa ka inoan' ny ankamaroan' ny Kristiana fa fahatongavan' Andriamanitra ho nofo amin' ny endrik' olombelona.
Ny fahatongavana ho nofo dia niadian-kevitra hatramin' ireo taonjato voalohan' ny kristianisma. Ny tsy fifanarahan-kevitra ara-teôlôjia nafanafana tamin' izany dia ny amin' ny dôketisma.