Yule
Ny Yule dia fetiben' ny ririnina nankalazain' ny vahoaka jermanika, izay nampidirina tao amin' ny Krismasy na Noely nandritra ny fampidirana ny kristianisma tao amin' ny vahoaka jermanika. Amin' izao fotoana izao dia mankalaza ny Yule tsy miankina amin' ny fetin' ny Kristiana ny mpanaraka ny hetsika ara-pivavahana sasany (toy ny paganisma jermanika vaovao). Nampifandraisin' ny manam-pahaizana amin' ny Fihazana any an' Ala, ny andriamanitra Odin, ary ny Modraniht ("Alin' ny Reny") ny fankalazana ny Yule tany am-boalohany. Ny teny hoe Yule sy ny teny mitovitovy aminy amin' ny fiteny hafa dia mbola ampiasaina ao amin' ny fiteny anglisy (Yule) sy skandinaviana (jul) ary koa amin' ny fiteny finoà (joulu) sy estôniana (jõul) mba hamaritana ny Krismasy sy ny fety hafa mitranga mandritra ny vanim-potoanan' ny ririnina. Ankoatra izany, ny fomba amam-panao amin' ny Krismasy sasany amin' izao fotoana izao, toy ny kitaiben' ny Yule, ny osin' ny Yule, ny lambon' ny Yule, ny hiran' ny Yule, ary ny hafa dia mety misy ifandraisany amin' ny fomban-drazana amin' ny Yule tao amin' ny paganisma taloha.