Dadabe Noely
I Dadabe Noely dia rangahy iray tantarain' ny angano fa be volom-bava fotsy, bebe kibo, sariaka, mitafy mena misy morona volom-biby fotsy, ary mi
tondra fanomezana kilalao sy vatomamy ho an' ny ankizy hendry mandritra ny Noely na Krismasy. Mipetraka any amin' ny Tendrontany Avaratra izy, voahodidin' ny andiana elfa kely manamboatra kilalao.
Ny Dadabe Noely fantatra ankehitriny dia noforonin' ilay mpanoratra amerikana Clement Clarke Moore (ao amin' ny tononkalony mitondrany lohateny hoe A Visit from St. Nicholas na The Night Before Christmas) tamin' ny taona 1822, tamin' ny alalan' ny fanambarany angano maromaro avy amin' ny vahoakan' ny firenena samihafa nifindra monina tany Etazonia izy, indrindra fa i Masindahy Nikôla, izay atao amin' ny teny hôlandey hoe Sinter Klaas. I Masindahy Nikôla dia eveka niaina tamin' ny taonjato faha-4, ilay mpiaro ny ankizy madinika, izay manome fanomezana sy sakafo amin' ny 6 Desambra sady nitaingina amin' ny ampondra. Ao amin' ny asasorany, ity eveka ity dia novainy ho elfa matavy sy be volombava. Miza ra fanomezany izy amin' ny alin' ny Noely na Krismasy, amin' ny 24 ka hatramin' ny 25 Desambra. Nataon' ilay mpanoratra mandeha amin' ny sarety tarihin' ny serfa valo i Dadabe Noely, ary miditra amin' ny lalan-tsetroka ambony tafon-trano mba hametrahany ny fanomezany ao an-trano.
Tamin' ny taona 1860 vao nananana ny endriny ahafantarana azy ankehitriny i Dadabe Noely: ny mpanao sary anaty boky atao hoe Thomas Nast no ananao sary azy hitovy endrika amin' ny lahiantitra sariaka, be takolany mena boribory ary be volombava fotsy. Nampitafiany amin' ilay akanjony mena malaza voaravaka fotsy sy amin' ny fehikibo hoditra lehibe izy.