Masindahy Nikôla

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Masindahy Nikôla
St Nicholas Icon Sinai 13th century.jpg
Ankapobeny
Anarana Masindahy Nikôla
Teraka 15 Marsa 270
Maty 6 Desambra 343
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Masindahy Nikôla na Nikôla avy any Myra na Nikôla avy any Bari, dia evekan' i Myra any Lycia.

Ao amin' ny fitantarana dia tsy isalasalana fa afangaro amin' i Abe Nikôla avy any Sion, mpanorina mônastera iray tamin' ny taonjato faha-6, akaikin' i Myra, any Lycia izy. Avy any Azia Minora i Masindahy Nikôla dia niditra tao amin' ny mônastera tao Sion ary lasa arsevekan' ny Fiangonana Metrôpôlitanan' i Myra; noho izany, dia azo inoana fa nandray anjara tamin' ny Kônsily Voalohany tao Nikea izy, nanohitra ny arianisma. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-11 dia nentin' ny mpivarotra italiana ny relikany avy any Myra nankany Bari (ao Italia ankehitriny) izay nisy bazilika naorina mba handevenana azy.

Ny misy an' i Lycia ao Azia Minora.

Teraka tany Patara (grika: Πάταρα / Patara) any Lycia (grika: Λυκία / Lykia) ao amin' ny faritr' i Anatôlia na Azia Minora tamin' ny 15 Marsa 270 tany ho any izy ary maty tao Myra (grika: Μύρα / Myra) tao Lycia ihany tamin' ny 6 Desambra 343.

Ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana katôllika koa dia i Masindahy Nikôla no olo-masina mpiaro ny ankizy, ny virjiny, ny tantsambo ary ny mpivarotra. Malaza ho mpanao fahagagana koa izy.

Ny iray amin' ny fitantarana maro miely patrana momba azy dia miresaka ny amin' ny fanomezana nozarainy mangingina ho an' ny zanakavavy telon' ny lehilahy mahantra iray, izay tsy afaka nanome azy ireo, ka saika handao azy ireo ho amin' ny fiainana feno fahotana. Ity angano ity no niandohan' ny fomba fizaràna fanomezana miafina atao any amin' ny faritra sasany any Eorôpa amin' ny alin' ny fetin' i Masindahy Nikôla, amin' ny 6 Desambra.

Ny fetin' i Masindahy Nikôla dia ankalazaina amin' ny 6 Desambra, indrindra any amin' ny firenena eorôpeana maromaro: any Belzika, any Loksemborga, any Hôlandy, any Alemaina, any Frantsa, any Soisa, any Espaina ary any Italia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.