Alsace

Avy amin'i Wikipedia
I Alsace ao Frantsa

I Alsace dia faritra ara-tantara sady vondrom-paritra any atsinanan' i Frantsa eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Frantsa sy i Alemaina ary i Soisa. Ny renivohiny dia i Strasbourg. Atao hoe s'Elsàss izy amin' ny fiteny alzasiana fa das Elsass kosa amin' ny fiteny alemana.

Hatramin' ny 1956 ka hatramin' ny 2015 i Alsace dia faritra ara-pitantanana, itambaran' ny departemanta roan' i ao Bas-Rhin sy Haut-Rhin. Tamin' ny 1 Janoary 2016 dia nitambatra tamin' ny faritr' i Champagne-Ardenne sy Lorraine izy io ka lasa faritra Grand Est. Tamin' ny 1 Janoary 2021 dia nisy vondrom-paritra vaovao - ny vondrom-paritra eorôpeanan' i Alsace - izay namerina nandray ny fetra ara-jeôgrafia mitovy tanteraka sady manohy ho anisan' ny faritra Grand Est.

Ara-jeôgrafia dia eo anelanelan' ny tendrombohitra Vosges sy ny ony Rhine no misy an' i Alsace. I Strasbourg no lehibe indrindra amin' ireo vondron-tanànan' i Alsace lehibe dimy, eo alohan' i Mulhouse, i Colmar, i Haguenau ary i Saint-Louis (zanabohitra frantsain' ny tanànan' i Basel na Bâle any Soisa). Ny tanànan' i Strasbourg sy i Mulhouse dia samy misy mponina 200 000 mahery. I Strasbourg no foiben' ny andrim-panjakana eorôpeana maromaro, anisan' izany ny Antenimiera Eorôpeana sy ny Filankevitr' i Eorôpa.